Politique

SMM Nanaovan’ny ministra fangala-piery


  • Alakamisy 07 Oktobra 2010

Nanaraka an-tsakany sy an-davany ny fifanarahany tamin’ny ministry ny fitsarana ny talata antoandro ny Sendikan’ny mpitsara eto Antananarivo.

Tsy nisy ny fitokonana omaly maraina fa ny tolakandro ireo mpitsara no nifamory tao amin’ny Fitsarana tampony niandry an-dRtoa Razanamahasoa Christine izay nanome toky fa hiaraka hivory amin’izy ireo ary hampita ihany koa ny hafatra avy amin’ny filohan’ny FAT. Tamin’ny telo ora tolakandro no efa vory lanona tao an-toerana ireo mpitsara saingy tsy nipoitra mihitsy ramatoa ministra hatramin’ny efatra ora. Manoloana izany dia nanatanteraka ny fivoriambeny araka ny fandaharam-potoana efa voaomana ireo mpitsara ary nisy ny fanambarana navoakany taorian’izany. “Nilaza ramatoa ministra fa hifampiresaka amin’ny mpitsara izy ary hiatrika ny fivoriana mihitsy aza ka ao anatin’ny fahatoniana no hanatontosana izany. Solontena maro no niandry azy teto saingy tsy hita izy hatramin’izao. Olon-dehibe izy ka tompon’ny teny navoakany”, hoy ny fanambarana novakian’ny Sekretera jeneralin’ny SMM, Razafindrakoto. Hitohy amin’ity anio ity ny fitokonana raha miverina miasa kosa ny mpitsara rehetra ny zoma araka ny efa nifanarahan’izy ireo raha tsy misy ny fiovana.

 Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT