Politique

Seza sy tombontsoa


  • Zoma 15 Oktobra 2010


Asa ry Jean na dia tany voaozona mihitsy ity Madagasikara ity, fa vao herinandro izay no mba tony kely taorian’ireny fitokonana tao amin’ny «port» ireny dia sakoroka be indray ny tanàna tao Toamasina omaly. Tena mampahatsiaro ny zava-nitranga ny alatsinainy 26 janoary ireny mihitsy anie ny fisehony, fa tsy nisy afo nirehitra fotsiny e ! Ka inona ary ho ianao no zava-misy ? Io ry Jean ilay olana sosialy efa nambarako teto iny a ! Na izaho aza efa nilaza fa hitsahatra tsy hanoratra intsony raha tafita tany aminareo ny serasera nifanaovana hatrizay saingy indrisy. Manao be marenina ianareo ka dia zakao izay vokany. Vao manomboka io, hoy i Kaina. Jereo ireny teny amin’ny 67ha ireny, resaka taxibe no nampirefotra ny tanàna, dia io indray ny any Toamasina, resaka posy sy posy bisikilety, dia asa koa izay hitranga eny amin’ny “gare routière” eny amin’ny 18 oktobra raha tsy hakana fepetra dieny mialoha, satria dia hisy ny tsy ho faly amin’ny fandaminana mikasika ireny fanomezan-dalana hitrandraka zotram-pitaterana ireny. Efa leo ny olona ry Jean, ela niafiana izy ireo fa ianareo tandapa no toa minia mikipy noho ny seza sy ny tombontsoa. 

Marco

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT