Politique

Sesitany politika Tonga ny kamarady Tantely


  • Alakamisy 14 Oktobra 2010

Tafaverina an-tanindrazana alina ny kamarady Tantely Andrianarivo rehefa nanao sesitany ny tenany nandritra ny enin-taona tany ivelany tany. Voatana am-ponja teny Antanimora izy ary hitsabo tena no nahafahany niala teto ny janoary 2004.

Tamin’ny folo ora sy sasany alina no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny fiaramanidina an’ny kaompania Air France nitondra azy. Na alina aza ny andro dia vory lanona teny Ivato ireo kamarady Arema notarihin’ny Pr Ange Andrianarisoa, sekretera nasionaly lefitry ny antoko sady mpitondra tenin’ny antoko ary lehiben’ny Ankolafy Ratsiraka eto Madagasikara tonga nitsena azy teny am-pahatongavana. Nanao rodobe ny avy any Vakinankaratra, Antananarivo renivohitra, Atsimondrano, Fianarantsoa, zanak’Amoron’i Mania, ka niavaka ny avy any Fandriana. Ankoatra ny fianakaviana dia tazana teny Ivato koa ireo mpiara-miasa taminy taloha, toa an’i Ndrianasolo ministry ny fanatanjahantena, Houssen Abdalah ministry ny jono, i Emilson, governoran’i Fianarantsoa teo aloha, Rtoa Ramisandrazana, jeneraly Tsaranazy Jean Emile, depiote isany Ramanana, Ratsimbazafy Heritafika, Ra-Merci, Razafiharinoro Hélène, ny loholona Moïse Rakotosihanaka.

Toy izany koa ireo mpiambina akaiky azy fony izy Praiministra. Loko midorehitra mena no nandrafitra ny seranam-piaramanidina Ivato omaly. Nitsena azy teny Ivato koa ny avy amin’ny Ankolafy Telo nahitana ny Dr Rakotovahiny Emmanuel (Ankolafy Zafy), Fetison Rakoto Andrianirina (Ankolafy Ravalomanana). Araka ny nambarany dia fantatr’i Andry Rajoelina izao fahatongavany izao. Tsy tonga hitady seza izy fa kosa hijery ny manahirana ny vahoaka ka hitadiavana vahaolana. Hitety faritra izy amin’izany. Hatreto dia Ambositra sy Mahajanga no fantatra fa anisan’ny ao anaty fandaharam-potoanany. Fa niverimberina tamin’ny teny nataony ny hoe : “resy isika tamin’ny 2002”. Teny mahafaoka be. Marihina fa izy irery no nody, fa ny vady aman-janany mbola tavela any Frantsa. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT