Politique

Serge Zafimahova Ny satan’i Maputo ihany e !


  • Alarobia 17 Martsa 2010

Mikiribiby fatratra amin’ny fananganana ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita.

Lasa resabe ny amin’izy io amin’izao fotoana izao. Manao ranolava ny fanakianana amin’ny firafiny, ny fomba entina manangana azy. Omaly nandritra ny famelabelarana narahina valandresaka nataon’ny CDE (Club développement et éthique) mikasika ny fahitan’izy ireo ny toe-draharaha politika sy ny hoavin’i Madagasikara dia tsy nihambahamba ry Serge Zafimahova sy ny namany naneho ny tsy fankatoavany io vaomiera io amin’izao endriny niheverana azy izao. Ny fampiharana izay nosoniavina tamin’ny satan’i Maputo ihany no vahaolana ialana amin’izao krizy izao. Vola 1,5 miliara no very vokatry ny fikatsoan’ny toe-draharaha. Nokianin’izy ireo ho fositra amin’izany ny frantsafrika. Ny faneken’i Marc Ravalomanana ny sonia natao no tsy mbola ahatongavany eto, hoy ny mpandahatra ka tokony hieritreritra i Andry Rajoelina.

Mikasika ny sazy indray dia hentitra ry Serge Zafimahova fa hihatra izany ary mahasahana ny fivahinianana any ivelany, ny tsy fahazoan-dalana manetsika ny volan’ireo voasazy ary ny tsy fifandraisan’ireo firenena hafa amin’i Madagasikara. Ho zava-doza anefa ity farany satria midika fa firenena tsy azo antoka, indrindra amin’ny famatsiam-bola, i Madagasikara.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT