Politique

Serge Zafimahova «Hiara-hiasa amin’ny GIC ny fiarahamonim-pirenena»


  • Zoma 09 Jolay 2010

Mizotra tsimoramora amin’ny fampikambanana ny heriny ny fiarahamonim-pirenena hivondrona eo anivon’ny Coordination Nationale de la Société Civile (CNSC) izay hikarakara ny dinika santatra manerana ny faritra sy ny fikaonandoham-pirenena.

Nisy ny rafitra tsy maintsy apetraka efa nifaneken’ireo mpivory ho fanatanterahana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny GNIM na Groupe National Indépendant de Médiation, ka araka ny fanazavan’i Serge Zafimahova dia hiditra an-tsehatra amin’ny fanelanelanana eo amin’ireo ankolafy politika voakasiky ny famahana ny krizy ity GNIM ity ary hiara-hiasa amin’ny GIC. Efa nanaiky izany ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena araka ny nambarany. Etsy ankilan’izay kosa dia hikarakara ny dinika santatra any amin’ny faritra ary handray an-tanana ny fandrindrana ny fikaonandoham-pirenena ny vondron’ny fiarahamonim-pirenana izay efa ahitana ny solotenan’ny fiarahamonim-pirenena rehetra fa tsy mandeha ila tahaka ny nisy teo aloha teo. Mbola mitohy hatrany moa ny fifampidinihana amin’ny fomba hametrahana izany rafitra rehetra izany, ka aorian’ny fijoroan’izy ireo vao mety ho raikitra amin’izay ny fikaonandoham-paritra. Midika izany rehetra izany fa tsy hailika tanteraka araka ny eritreritry ny sasany ny sehatra iraisam-pirenena izay mivondrona eo anivon’ny GIC amin’ny famahana ny krizy eto Madagasikara fa hiara-hiasa amin’ireo vondron’ny mpanelanelana Malagasy. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT