Nandefa hafatra mivaivay ho an’ny fanjakana HVM ny fikambanana Wake Up Madagascar omaly.
Aoka izay ilay seraseran'ny « mamo miantso polisy » fa sady manafintohina no mahamenatra no indraindray mampihomehy, hoy izy ireo. Tato anatin'ny 10 andro monja fa tsy hijery todika lavitra be toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy no nisehoan’ny zavatra mamohehatra. Voalohany ny resaka nataon’i Hery Rajaonarimampianina fa tsy mahalala akory ny fialan’ny minisitry ny vola, saingy nofatoran’ny zava-niseho. Teo ihany koa ny fanaovana fanamiana miaramila nambara ho tsy ara-dalàna, ka nanenjehana an'i Barry Benson, izay nanolotra ny fandaharana « Tsy mahaleo ny sampona 1 ». Olona 4 manao fanamiana sivily no tonga tany an-tranony noho ny resaka « fihetsika sarintsariny » na “déguisement”. Sarintsariny tokoa iny satria ireny no atao hoe « parodie », hoy io fikambanana io. Izao indray nampanantsoina ny mpanao gazety Fetra Rakotondrasoa, dia inona no seraseran'ariary roa holazaina indray ? Sa hoe nampanantsoina izy fa hisy mofomamy homena azy eny amin’ny zandarimaria ? Toa nanao don-tandroka ho an’ny minisitry ny serasera Harry Laurent Rahajason io fikambanana io. Averimberina sy lazaina fa manao asa fanakorontanana ny mpitsara (SMM) nefa sambany teto amin'ny tantaran'ny firenena nampiseho hetahetam-piovana tahaka izao ny fahefam-pitsarana. Ny antoko mpanohitra iray nandresy teny amin'ny fitsarana indray no hifandimbiasan'ny tompon'andraiki-panjakana lazaina fa tsy manara-dalàna. Ahoana raha mba asiana fiheverana ny zavatra atao alohan'ny hanaovana azy mba hialana amin'ireny seraseran'ariary roa ireny ? Indraindray anie ny fahatsorana sy ny filazana ny marina dia mora lavitra kokoa noho ny fitadiavana serasera manahirana, hoy ny fikambanana. Tsy mba misy fivoriana miaraka amin'ny mpanolotsaina ve any ambony any ka hanapahana zavatra misy laojikany sy mijery lavitra ? Naninona ny filoha raha nitsotra fotsiny hoe nametra-pialana tokoa ny minisitry ny vola, fa aleo izy no hilaza bebe kokoa aminareo mivantana ? Mitondra mankaiza ny fandrahonana sy fanenjehana azy ireo ? Maninona raha navela nanao ny fankalazany ny antoko iray satria efa nomena alalana izy tany am-boalohany ary mitondra inona moa ny fanakanana azy ? Toa efa raikipohy hoenti-mitantana ny firenena ny jadona sy ny ramatahora vokatry ny adin’ny kanosa, ka na zavatra tsy tokony hananganam-pahavalo aza dia atao ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.