Mafanafana indray ny toe-draharaha eo anivon地y ladoany Toamasina amin段zao fotoana izao, indrindra hatramin地y nandavan地y 途eceveur�-n地y ladoany hampihatra ny didim-pitsarana momba ireo kaontenera miisa 69 nahazo rariny tamin地y fitsarana amin地y fahazoana manondrana ny ォbois de roseサ tao anatiny.
Taorian’izany dia nivory maika nandinika ny asany ireo mpanara-maso eo anivon’ny ladoany Toamasina. Tapaka nandritra ny fihaonan’izy ireo fa “ireo entana aondrana rehetra na inona na inona, dia tsy maintsy sokafana sy savaina avokoa ary alaina sary hanamarinana ny ao anatiny”. Tsy miantoka izay fahatarana ny mpanara-maso ao amin’ny ladoany Toamasina, fa noraisina ny fepetra hisorohana ny fanondranana an-tsokosoko hazo sarobidy izay efa voararan’ny lalàna rahateo. Mitsangam-bolo ireo mpandraharaha mpanondrana entana eo anatrehan’izany, satria hitombo indray ny vola hivoaka amin’izy ireo. “Raha didy tsy maintsy arahina mba hanatsarana ny fanondranana entana sy hisorohana ny fivoahana an-tsokosoko hazo sarobidy sy ny harena Malagasy no antony dia tsy mampaninona fa efa zatra ny anaovana antsojay ny mpandraharaha ary tsy milavo lefona na miaina amin’ny fatiantoka aza mazàna”, hoy ireo mpandraharaha tafaresaka taminay mikasika izao fepetra vaovao vao noraisina omaly hariva izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.