Politique

Sendikan’ny mpitsara Tsy maintsy hajaina ny fanjakana tan-dalàna


  • Sabotsy 22 Aprily 2017

Azo atao hoe teboka iray nitarika fiovam-pijery goavana teto amin’ny firenena ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ka nahatonga ny tsirairay sy ny isan-tsehatr’asa handini-tena lalina sy tsy hanaiky intsony ny gabaoraraka teo aloha.Aoka izay ny tsindritsindry isan-tsokajiny fa avelao hiasa malalaka araka ny lalàna ny mpitsara, hoy ny sendikan’ny mpitsara eto Madagasikara (SMM) nandritra ny fivoriambe notanterahan’izy ireo omaly tetsy Anosy.

 

Tsy fanenjehana olona iray manokana ny anay hoy ny SMM fa kosa fitakiana ny fanajana ny fanjakana tan-dalàna ary samy mandray ny andraikiny ny tsirairay.Ny fitsarana tsy mitanila no antoky ny filaminana, ary azo antoka fa hampihena ny ahiahin’ny olom-pirenena sy ny resaka fitsaram-bahoaka ihany koa.Be loatra mantsy hatrizay ny fahasosoran’ny olona amin’ny tontolon’ny fitsarana eto Madagasikara ; mazava ben y fanambaran’ny sendikan’ny mpitsara omaly izay efa nilaza fa manaraka akaiky ny raharaha Claudine Razaimamonjy koa dia andrasana izay asa mivaingana fa tsy hijanona ho fanambarana sy kabary fotsiny ilay izy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT