Politique

Sendikan’ny Mpitsara Mety hitatra hatrany amin’ny mpisolovava


  • Zoma 22 Oktobra 2010

Herinandro sisa dia ho tapitra ny fampitandremana na “ultimatum” nataon’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara na SMM.

Tapa-bolana mantsy no nolazain’izy ireo fa hamahana ny olana. Hatramin’izao anefa tsy misy tokotaniny ny vahaolana. Ao anatin’izany dia manomboka mampiaka-peo ihany koa ny mpisolovava sasany. Ny antony dia satria raha miverina mitokona ny mpitsara dia mitombo ny asan’izy ireo satria mikatso avokoa ny raharaham-pitsarana. Noho io antony io dia mandeha ny fakan-kevitra ankehitriny eo amin’ireo samy mpisolovava. Mizara ny hevitra hatreto satria ny sasany mieritreritra fa mba hanerena ny FAT hamaha ny olana dia hamafisina ny fitokonan’ny mpitsara. Ny hafa indray anefa mihevitra fa vao mainka manasaro-javatra izany. Ity farany moa dia ireo ekipan’ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny holafitra izay nomen’ny FAT toerana hafa amin’ny maha mpisolovava ka mahazo tombontsoa maro be.

Tranga azo tsapain-tanana ihany koa mantsy nandritra ny roa herinandro tsy niasan’ny mpitsara ny fahalasanan’ireo dosie eny amin’ny mpisolovava lasa avo roa heny. «Mitaraina noho izany tranga izany izahay», hoy ny mpisolovava iray. Sarotra ho an’ny FAT ihany anefa ny hamaha ity olana ity satria valala tsy an-tanana, hono, tsy atolo-jaza. Efa lany ny vola tahiry nolovaina tamin’ny fitondrana teo aloha nefa ny miditra tsy misy. Ho hita eo ny tohiny. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT