Lasa any Guangzhou Chine afak’omaly alahady tamin’ny 9 ora maraina ny filoha lefitry ny antenimierandoholona avy any Fianarantsoa Riana Andriamandavy VII.
Raha ny vaovao azo anefa dia nampanantsoin’ny zandary izy noho ny raharaha fandrahonana nataony tamin’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) tany anaty tambajotram-pifandraisana ara-tsosialy, ka nisian’ny fitoriana nataon’ity sendikan’ny mpitsara ity azy. Anisan’ny vesatra iampangana azy ihany koa ny fitarihana andian’olona nitora-bato ny ny foiben’ny Bianco teny Ambohibao nandritra ny fakana am-bavany an’i Claudine Razaimamonjy. Voamarina ny resaka fitarihan’olona hikomy sy hanakorontana, ka nanomezan’ny tonian’ny mpampanoa lalàna Ambony tamin’ny alalan-Randrianasolo Jacques, baiko an’ny zandarimaria hampiantso ny loholona Riana Andriamandavy VII hanaovana fanadihadiana. Tsy nisy kosa ny fandrarana azy tsy hivoaka an’i Madagasikara na ny IST raha ny vaovao azo. Nanamafy ny polisy ana habakabaka sy ny fiarovana ny sisin-tany (PAF) fa lasa nivoaka malalaka an’i Madagasikara izy.
Antenimierandoholona tsy mahalala n’inona n’inona
Nilaza ho tsy mahalala ny resaka fampiantsoana an’i Riana Andriamandavy VII sy ny toerana misy azy kosa ny filohan’ny Antenimierandoholona Honoré Rakotomanana. Raha misy ny fampiantsoana ataon’ny fitsarana mikasika ny loholona dia anjaran’ny avy eo amin’ny tonian’ny mpampanoa lalàna ambony no mandefa taratasy mankany amin’ity filohana andrim-panjakana ity milazalaza ny anton-javatra, ka ahafahana manambara ny fampiantsoana sy fakana azy hatao famotorana na ny didy fampisamborana, hoy izy omaly. Nilaza anefa i Honoré Rakotoamana fa tsy naharay an’izany. Rehefa tsy mahazo taratasy avy amin’ny mpampanoa lalàna ao anatin’ny andro vitsy dia hanontany ny mombamomba ny antony hampiantsoana na ny fisamborana azy izy ireo, hoy i Honoré Rakotomanana. Anio dia hisy fivorian’ny birao maharitra, ka hoentina eo amin’ny birao maharitra satria rehefa misy zava-dehibe dia ny Birao maharitra no tompon’ny teny farany. Aorian’izay dia hisy ny famaritana sy fandinihana ny heloka nataony, izay holanian’ny 2/3-n’ny antenimierandoholona ny resaka fanapahan-kevitra. Tsy misy ihany koa ny iraka manokana amin’ny maha loholona azy amin’izao fivoahana any ivelany izao, izay toa manamafy fa nandositra ny fanenjehana azy ity loholona, izay ambaran’ny maro ho mihevi-tena ho ambonin’ny lalàna ity. Nilaza kosa ny mpisolovava Willy Razafinjatovo fa tsy tokony tsy hanavahana olona, fa rehefa manao ny tsy mety, indrindra fa tratra ambodiomby dia azo henjehina tsara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.