Politique

Senatera Olga Ramalason Ilaina fankatoavana lalàna ny fampandrosoana firenena


  • Alatsinainy 08 Mey 2017

Tranga iray mampiseho ny fahantran’ny mponina eto Madagasikara ny lafiny tsy fahampian-tsakafo.

 

Lasibatra manokana amin’ity zava-misy ity ny zaza sy ny vehivavy Malagasy. Tandindomin’ny tsy fanjarian-tsakafo miaraka amin’ny fahabangana vitamina A, ohatra, ny ankizy 1 amin’ny 2 eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy. Mandray andraikitra manoloana azy io ankehitriny ireo parlemantera mpanao lalàna mivondrona ao anatin’ny APMSAN (Alliance Parlementaire Malagasy pour la Sécurité Alimentaire et la Nutrition). Tsy mijanona ho mpanentana amin’ny ady amin’ny hanoanana sy ny sakafo tsizarizary intsony fotsiny moa izy ireo fa mpiara-miombon’antoka stratezika feno amin’ny fandrafetana politika sy fandaharanasa. Ho zava-poana ihany anefa ny fananantsika ireo karazam-pitaovana ireo raha mbola manjaka ny gaboraraka sy ny tsy fanajana ny lalàna velona eto Madagasikara, hoy ny loholona Olga Ramalason. Ilaina soloina fankatoavana ilay foto-pisainana fandikan-dalàna mihamahazo vahana eo anivon’ny fiarahamonina Malagasy ankehitriny. Antoky ny fampandrosoana ny firenena mantsy ny fisian’ny fifampifehezana miaraka amin’ny finiavana ananan’ny olom-pirenena manomboka amin’ny mpitondra fanjakana, araka ny fanamarihan’ity senatera Tiako I Madagasikara ity.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT