Politique

Senatera Lylison Nalentik’i Honoré Rakotomanana


  • Alarobia 19 Oktobra 2016

Tsy afaka mandinika ny momba ny fepetra tokony horaisina mikasika ny fitsipika anatiny momba ny loholona Lylison René de Rolland intsony izahay,

 

hoy ny filohan’ny antenimierandoholona, Rakotomanana Honoré, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety nandritry ny lanonana fanokafana ny fandinihana ny tetibolam-panjakana sy ny fampihavanam-pirenena, tetsy Anosikely izy omaly. Manosihosy ny lalàmpanorenana izahay raha manao izany, hoy izy, satria efa nalatsaky ny avy eo anivon’ny fitsarana ny didy fampisamborana izay milaza fa tratra am-bodiomby ity loholona ity. Anjaran’ny fitsarana no mangataka ny analana ny antsoina hoe sata mifehy manokana ny mpanao lalàna na ny « immunité parlementaire » raha misy fihoaram-pefy ataon’ny mpanao lalàna iray. Tsy azo enjehina ihany koa ny mpanao lalàna raha tsy tratra am-bodiomby, araka ny andininy faha 37 ao amin’ny lalàmpanorenana. Izay, hoy ny filohan’ny antenimierandoholona, no fanapahan-kevitry ny fitsarana ka tsy afaka manohitra izay izahay.  

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT