Politique

Senatera Lylison Haterina eny Antanimora


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2016

Nivoatra ny raharaha Lylison. Naparitaka eny amin’ireo toby miaramila samihafa tamin’iny herinandro iny ny didy fampisamborana an’ity Loholona MAPAR ity nosoniavin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpamoaka didy,

milaza fa aterina avy hatrany ao amin’ny fonjan’Antanimora i Lylison René de Rolland Urbain raha vantany vao voasambotra. Nivoaka tamin’ny 29 sepambra 2016 ilay didy fampisamborana, izany hoe : efa-bolana taty aorian’ny nanaovan’ny Senatera Lylison antso hanaovana tanàna maty teto an-drenivohitra tamin’ny 24 mey 2016. Miatrana any an-dakazera avokoa ny miaramila amin’izao ampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonamben’ny tsenam-barotra COMESA izao. Tahotra sao hanararaotan’ny Senatera Lylison izao havoriam-bahiny eto izao hanakorontanana ve no antony nanaparitahana tampoka io didy fampisamborana azy io, sa misy zavatra hafa mikononkonona any ? Efa ho dimy volana izao ity olom-bofidy zanaky ny Faritra Sofia ity no tsy niseho masoandro, na efa in-droa nanao fanambarana tamin’ny Internet, amin’ny alalan’ny Youtube aza izy nandritra izay, nanehoany ny heviny momba ny asa fampihorohoroana nahafatesana olona ny harivan’ny 26 jona 2016 teo Mahamasina sy ny raharaha Soamahamanina. Ny vondrona Mapar misy azy ihany koa tsy nitsahatra nanao fanambarana manameloka ny antsojay amin’ireo olony ka anisany ity olomboafidy ity, ary nanairan’izy ireo an-taratasy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena. Inona no hitranga etsy amin’ny Lapa Maitso Anosikely mandritra ny fotoam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierandoholona rahampitso talata 18 oktobra 2016, ho avy hiatrika izany ve ny Senatera Lylison de Rolland Urbain. Tantara mitohy !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT