Mbola maro amin’ireo manampahefana ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao sy ireo mpanao politika manohana azy ary ny olon-tsotra resy mankato ny fitantanan’i Andry Rajoelina no resy lahatra fa tsy mila izany fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena izany ny fampandehanana ny fiainana eto Madagasikara.
Averina eto ihany fa famatsiam-bola avy any ivelany ny 75%-n’ny tetibola ampiasain’ny fanjakana voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana hatramin’ny fitondrana rehetra nifandimby teto, ary mbola manankery amin’izao tetezamita izao. Ireo tetikasa goavana eto amintsika dia na orinasa vahiny no miandraikitra azy, na famatsiam-bola vahiny no hanatanterahana azy. Ana hetsiny ny Malagasy miasa sy miankin-doha tanteraka amin’izany famatsiam-bola sy tetikasa vahiny izany. Ny tsy azo adinoina dia efa tara «départ» i Madagasikara ka tsy mba nahavita intsony ilay fahagagana tamin’ny fitomboan’ny harin-karena tahaka ny nosy Maorisy, Singapour, Vietnam, Thailande, Chine sy ireo firenena afrikanina sasany tahaka an’i Afrika Atsimo, Tanzania, Zambia, Namibia ary i Mozambika etsy ampita akaiky etsy.
Tsy hoe lasa mpanankarena be tsy akory ireo firenena ireo na hoe tena milamina be any aminy fa tsara lavitra noho ny faripiainan’ny Malagasy ny faripiainan’ny olona monina sy miasa any aminy, ary maro be ny zavatra azo atao hitadiavam-bola ary ao anatin’ny fanajan-dalàna avokoa izany ary tsy ataon’ny olona fanangonan-karena ny fanaovana politika. Tany amin’ny fiandohan’ny taona 90 no nisy ny fiaingana voalohany tamin’ireo firenena ireo, ary tamin’ny taona 2000 ny fiaingana faharoa eo amin’izany fanomezana aina ny toekarena izany. Tamin’ireo vanim-potoana ireo anefa, dia indrisy fa nandalo grevy sy krizy foana i Madagasikara dia ny 1991-1992 sy ny 2002 izany. Ary raha nametraka ny rafitra rehetra hahafahana manenjika ny fahatarana indray ny fitondrana Ravalomanana dia nirodana ny 2009.
Tsy hiditra amin’ny ambangovangony ny amin’ny antony nahatonga ireo krizy rehetra ireo isika fa hisarika ny sain’ny rehetra kosa ary hilaza fa noho ny tsy nahavitantsika niroso tamin’ny fanavaozana ny rafitra ara-toekarena nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 90 dia avy eo mbola tara indray tamin’ny taona 2000, dia tsy afaka ny hihambo mahavita azy ary tsy mila ny fanampian’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara. Ary tena mandainga sy mamahan-dalitra vahoaka izay mpitondra mahasahy miteny fa mahavita tena isika fa tsy mila ny fanampian’ny avy any ivelany izany. Tsara orina ary efa lalim-paka amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ny fanatontoloana ka tsy azo ialana intsony, azo ambara mihitsy hoe voaozona hiara-miasa amin’ny vahiny isika fa tsy tompon’ny harena rehetra misy eto.
Mety ho sarotra raisina ihany izany ho an’ny maro, saingy izay no marina. Tsy maintsy miditra eto ny vazaha, ary tsy maintsy mampiasa vola sy manangana orinasa eto, na iza faly na iza tezitra ; ka eo indrindra no ilana mpitondra sy mpitarika matsilo saina, manana vina sy mahafantatra marina ny mety amin’ny vahoaka sy mba hahazoana tombontsoa amin’ny fiaraha-miombon’antoka amin’ireo vahiny hampiasa ny volany eto. Tsy maintsy matanjaka amin’ny fifampiraharahana ny mpitondra fanjakana ary mametraka ny rafitra rehetra hiarovana ny fampiasam-bola mba hahatamana ireo mpampiasa vola. Tsy azo ekena kosa anefa raha mpandraharaha na firenena vahiny diso tia tena no mametraka ny fitsipi-dalao rehetra, fa mila mahay miatrika izany ny mpitondra ary tsy manaiky afa tsy izay hahazoan’ny andaniny sy ny ankilany tombontsoa, io ilay hoe “Win-Win” na “gagnant-gagnant”. Fa raha mikirikiby hitsambiki-mikipy isika na hanidy varavarana fa hoe tsy mahazo ny fankatoavana iraisam-pirenena dia ho zava-doza tsy azon’ny saina eritreretina no mety hitranga eto ary tokony hahafantatra tsara izany ny rehetra fa tsy hanao fo rano mafana fotsiny ka hoe : avelao any ny sehatra iraisam-pirenena rehefa tsy hanaiky.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.