Raha tokony ho efa vita tamin’ny talata 03 aogositra lasa teo dia nahemotra ho amin’ny anio, raha tsy misy indray ny fiovana, ny fanaovana sonia ilay fifanarahana eo amin’ny «Sehatra ifanakalozan'ny mpanao politika».
Ny anton’io fihemorana io moa, araka ny fanazavan’i Elia Ravelomanantsoa mpitondra tenin’ity vovonana ity dia noho ny mbola fitohizan’ny adihevitra sy ny fifandaminana ary ny fitomboan’ireo antoko tonga mitondra soso-kevitra. Nanamafy ihany koa izy, fa izay voarakitra ao anatin’ny antontan-kevitra voasonia ihany no azo ambara fa fanambarana ofisialy avy amin’ity «Sehatra ifanakalozan'ny mpanao politika» ity, izany hoe zavatra tsy mbola ofisialy avokoa no nivoaka tamin’ny fampahalalam-baovao rehetra hatramin’izay. Antoko 50 mahery avy amin’ny firehana rehetra no manana solontena ao anatin’ity vovonana ity, na dia eo ihany aza ny filazana fa nandeha tamin’ny anaran’ny tenany manokana ireo mpanao politika nitondra ny heviny tao. Isan-karazany ny hevitra nipoitra, fa ny anisan’ny tena nisongadina dia ny nifaneken’ny maro an’isa tao anatin’ity «Sehatra ifanakalozan'ny mpanao politika» ity fa tokony hosoloina ny praiministra amin’izao fotoana, ka praiministra eken’ny rehetra, na «Premier ministre de consensus» araka ny voalaza tao amin’ny satan’i Maputo no apetraka hitantana ny governemanta. Eo ihany koa ny filazana fa ny praiministra no manendry ireo minisitra, taorian’ny tolo-kevitra avy amin’ireo mpanao politika, ary farany moa dia nieritreritra ihany koa ireo fivondronan’ny mpanao politika ireto fa tokony hofoanana ny FAT amin’ny endriny amin’izao fotoana ka misy rafitra iray vaovao atsangana izay mitovitovy amin’ny Antenimieram-pirenena teo aloha. Nanamafy moa ireto antoko politika ireto fa tsy maintsy ny mpanao politika no mikaondoha ary mikaroka ny vahaolana politika amin’izao krizy izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.