Politique

Sefo Fokontany Nozaraina omaly ny karama enim-bolana


  • Talata 16 Novambra 2010

48 ora mialoha ny fitsapan-kevi-bahoaka, satria manana andraikitra goavana amin’ny fampandehanana ny birao fandatsaham-bato ireo sefo Fokontany sy ny lefiny, dia natao omaly ny fanomezana ny vola tambin-karaman’izy 137 mianadahy, ho an’i Toamasina renivohitra.

Ny faritra Atsinanana sy ny ministeran’ny fanajariana ny tany no niara-nisalahy tamin’ny fandoavana sy ny fizarana izany tambin-karama izany. Araka ny fantatra dia tambin-karama enim-bolana, nanomboka ny volana jolay hatramin’ny volana desambra 2010 ity nomena ity. Mitentina 30.000 ariary isam-bolana ho an’ny filoham-pokontany, mahatratra 15.000 ariary kosa izany ho an’ny lefiny iray. Tao amin’ny Lapan’ny faritra omaly no nizarana azy, izay nifandrimbonan’ny Faritra sy ny distrikan’i Toamasina I. Araka ny nambaran’ny lehiben’ny Faritra, Alain Mahavimbina dia tsy adino akory ny filoham-pokontany na somary tara aza ny fandoavana ny tambin-karama fa nisy ny fandaminana teo anivon’ny ministera mpiahy mikasika izany. Nohamafisiny ihany koa fa «ilaina sy tena miankina aminareo lehiben’ny fokontany ny fizoran’ny fitsapan-kevi-bahoaka sy ny fifidianana rehetra hifadimby eto amintsika, ka mitaky asa matotra sy mangarahara ary ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana avy aminareo ny firenena sy ny vahoaka Malagasy». Raha ny marina dia miisa 138 ny fokontany ao Toamasina, fa misy Fokontany iray mitambatra ny filohany, ka mahatonga ny isa ho lasa 137 no nomena ity tambin-karama ity.

 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT