Politique

Secren Fampanantenana poakaty no nataon-dRajoelina


  • Alatsinainy 10 Desambra 2012

Orinasa reharehan’ny firenena ny Secren ao Antsiranana izay mpanamboatra sambo.

 Mandalo fahasahiranana anefa ity farany tao anatin’ny telo taona izao noho ny krizin’ny sehatry ny jono an-dranomasina, ny krizy politika eto Magadasikara izay nampiantona ny fanaikana tolobidy fanarenana azy ary ny fisian’ny jiolahin-tsambo mahery vaika taty amin’ny faritry ny oseana indiana sy lakandranon’i Mozambika, taona vitsy izay. Midina isan-taona ny vola kirakirainy izay tsy ahafahany mihodina intsony raha tsy misy famatsiana. Nahatratra 776 tapitrisa Ariary be izao ny fatiantoka tamin’ny 2010 raha mbola mba nahazo tombombarotra kely 165 tapitrisa Ariary tamin’ny 2006. Bokan’ny trosa ny Secren izay ananan’ny Cnaps 2.990 tapitrisa Ariary ankoatra ny 320 tapitrisa Ariary an’ny sampandraharahan’ny hetra.

Tsy tokony ho sahirana be loatra tahaka izany anefa ny Secren raha toa ka omen’ny sampandraharaham-panjakana samihafa ny volany izay efa mitentina 2.240 tapitrisa Ariary. Nisy ny vinavina hanarenana ny fotodrafitrasa saingy naaton’ny orinasa Sonapar izany. Naneho fahavononana hamerina amin’ny laoniny ity orinasa ity indray ny fitondram-panjakana nandritra filankevitry ny minisitra tamin’ny 12 septambra amin’ny alalan’ny fanajariana ny “bassin de Radoub” sy ny fitakiana ny volany amin’ireo sampandraharaha ananany trosa sy fifampiresahana amin’ny fitantanana ny hetra momba ny IR sy IRSA. Nanome toky ny hiantoka ny lelavola 2.000 tapitrisa Ariary hanajariana ny “bassin de Radoub” ny filohan’ny FAT.

Mijanona ho fampanantenana poakaty anefa izany ary tsy sahy niresaka momba an’io sady tsy tany an-toerana koa ny tenany raha nitokana ireo trano mora sy ny hopitaly manara-penitra ao Antsiranana farany teo. Marihina fa efa vita ny fanaikana tolobidy ka ny orinasa Colas no nahazo azy.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT