Politique

Sazy : Mandinika ny fampiharana azy ireo firenen-dehibe


  • Alatsinainy 22 Martsa 2010

Eo am-pandinihana ny mety ho fampiharana ilay sazy navoakan’ny Vondrona Afrikanina ny firenena maro manana fifandraisana ara-diplomatika amin’i Madagasikara amin’izao fotoana.

Ankoatra ireo firenena afrikanina mantsy dia niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny ankapobeny ny Vondrona Afrikanina mba hampihatra ny sazy amin’ireo 109 mianadahy niray petsapetsa tamin’ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara ary sakana amin’ny fampiharana ny vahaolana niraisana sy nifaneken’ny ankolafy efatra tany Maputo sy Addis Abeba. Ho an’i Frantsa, ohatra, dia efa nilaza ny avy ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny fa voaray ary hodinihana iny fehin-kevitra nivoaka iny momba ny sazy ho an’ny mpitondra ao amin’ny HAT sy ireo mpiara-dia aminy, mampirisika hatrany ny hikarohana vahaolana amin’ny alalan’ny fifampiresahana i Frantsa ary tsy mandà ny amin’ny fanatanterahana fifidianana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana. I Etazonia koa dia eo am-pandinihana ny fomba mety hampiharana ny sazy amin’ireo voakasik’izany. Ny governemanta amerikanina moa dia anisan’ireo firenena tsy niolakolaka nilaza fa fandrombaham-pahefana no nisy teto ary ilaina ny famerenana ny ara-dalàna. Mitaky ny hisian’ny fifampiresahana eo amin’ireo ankolafy efatra ihany koa i Etazonia. Efa nisantatra ny karazana fanasaziana an’i Madagasikara moa tamin’ny alalan’ny fampiatoana ny AGOA sy ny tetikasa MCA ny governemanta amerikanina ary azo antoka fa mbola handray fepetra hafa ihany koa ry zareo atsy ho atsy raha mbola miziriziry amin’ny heviny ihany i Andry Rajoelina sy ny mpanara-dia azy amin’ny fitantanana samirery ny tetezamita. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT