Politique

Savorovoro tao Toliara Nivoaka ny marina …


  • Zoma 03 Septambra 2010


Tsarao haingana izay nitarika fahasimban’ny RNM sy ny TVM ary ampidiro am-ponja toy ny atao amin’i Limby (Elimberaza Mandridake) sy ireo mpomba azy, satria namotika fananam-panjakana. Atsaharo ny fampiasana ny haino amanjerim-panjakana mba hamotehana ireo mpifanandrina ara-politika amin’ny mpitondra. Nahazo fahazoan-dalana i Limby tamin’ny nanao famoriam-bahoaka fa ny fitondrana FAT no tsy mahazaka ny demokrasia. Ireo zanak’i Toliara mpikambana ao amin’ny governemanta FAT ihany no matahotra ny ho very seza ka naniraka ny miaramila hanambotra an’i Limby sy ireo mpomba azy. Tsy seza anefa no angatahin’i Limby fa fanehoan-kevitra malalaka. Avelao hilaza ny heviny ankalalahana i Limby, foano ny tsy fahafahany mivoaka ny tanindrazana sy ny fanenjehana azy ary avoahy ireo fito lahy nogadraina, mpomba azy avy amin’ny foko Tanalana”.

Santionany amin’ny fitakiana ataon’ireo namana sy fianakavian’i Elimberaza Mandridake ireo. Niaraha-nahita, hoy izy ireo fa ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita amin’izao fotoana izao, Andry Nirina Rajoelina, no nitarika olona teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana Anosy ny 26 janoary 2009. Tsy fantatra ireo nandroba ny fananan’ny radio RNM sy ny TVM tamin’io andro io na mpanararaotra na ny ekipany ihany. Tsy hitsara na iza na iza, hoy ihany izy ireo saingy ny mazava dia ny hoe: tsy voafehiny ny olona tamin’io andro io ka nahatonga ireny fandrobana mahatsiravina ireny. Niaraha-nahalala koa fa tsy nahazo alalana tamin’ny “Préfet de police”-n’Antananarivo i Andry Nirina Rajoelina hanao ireny fihetsiketsehana ireny. Vokany, ny Vakoka iray manontolo no fadiranovana ary tsy mbola voaarina ny fananam-panjakana hatramin’izao.

Raha amin’ny maso sy fo tsy miangatra, dia tokony ho izay nitarika ny vahoaka teny no manolo izay simba, hoy ireto naman’i Limby ireto kanefa iaraha-mahita hoe iza anefa no nosamborina sy nampidirina am-ponja hatramin’izao ? Araka ny fanazavan’izy ireo ihany dia tahotra seza no antony nanenjehana an’i Limby. Toy ny tsy nahafehezan’i Andry Rajoelina ny olony tamin’ireny 26 janoary ireny no ny tsy nahafehezan’i Limby ireo nanara-dia azy tao Toliara, araka ny fanazavan’ireo akaiky azy. Nisy koa anefa olona nirahina hanimba ny fanehoan-kevitra nataon’ity profesora ity ireo namotika zavatra tao, hoy ihany ny fanazavana. Olona 7 avy amin’ny foko Tanalana no voasambotra ary nampidirina am-ponja daholo izy fito ireo ny alin’ny ny talata 31 aogositra 2010, raha ny vaovao. Araka ny resaka mandeha dia nalaina an-keriny tao an-tranony ao Ambalanomby Camoën Toliara i Limby ny sabotsy 28 aogositra tokony ho teo amin’ny misasak’alina ary tsy fantatry ny fianakaviany ny nitondrana azy na aiza na aiza. Tsy fantatra ihany koa ny momba azy izao na maty na velona. Tsy nisy fihetsiketsehana tao Toliara omaly saingy milamin-dratsy raha ny fahitana azy.

 
Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT