Noho ny lalàmpanorenana tsy voahaja no anton’ny savorovoro politika misy amin’izao fotoana izao ary tompon’andraikitra amin’izany ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), hoy ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Izy tokony hanirina indray no mampivandravandra. Tsy ny fampihavanam-pirenena akory no vahaolana eto fa ny fanajana ny lalàmpanorenana. Rehefa hita fa tsy manao ny asany ny tompon’andraikitra dia azo soloina satria mpiasam-panjakana toy ny filoham-pirenena ihany koa ny mpikambana ao anatiny. Eto amintsika ihany no misy miova isaky ny 5 taona ny lalàmpanorenana. Ny an’ny olona anefa, toy ny any Soisa izao, isaky ny 700 taona, ny any Frantsa sy Etazonia, isaky ny 200 taona. Ny dikan’izany dia ny lalàmpanorenana eto mihitsy no tsy miady, hoy izy.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.