Satan’ny COI sy fitakiana Nosy bodoin’i Lafrantsa

Namaly bontana ny Filohan’i Comores, mitsanga-menatra Rajoelina…


  • Zoma 25 Aprily 2025

Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady

nanoloana ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron, fa azy ireo ny Nosy Mayotte izay bodoin’i Lafrantsa. Nampiasa saritsarin-teny nisy an’ilay mpanao hatsikana frantsay Louis de Funès izy, izay nolazainy fa mpampianatra azy nentiny nanamarihina hoe : « tsy hamaly ny fandranitanana ataon’i Frantsa velively ». Na izany aza, nangotraka ny kabariny, ary nahazo tehaka nirefodrefotra tao amin’ny CCI Ivato. « Atoa Emmanuel Macron, raha vao miresaka lalàna, ampahatsiahiviko fa isan’ny fototry ny COI ny fanajana ny lalàna iraisam-pirenena. Araka ny lalàna iraisam-pirenena, ny nosy Mayotte dia nosy Kaomorianina, ary ny Firenentsika dia vavolombelona, i Lafrantsa dia mpikambana maharitra ao anatin’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena Mikambana. Noho izany, ilaina ny fifampiresahana mahitsy, am-pahatsorana, ary tompon’andraikitra mba hivoahan’ny vahaolana mitombona ao anatin’ny fifanajana,… », hoy i Azali Assoumani. Karazana valin-kafatra manamafy ny fitakian’i Comores ny fiandrianam-pireneny amin’ny hamerenana an’i Mayotte aminy io teo anatrehan’ny kabary sy fanambarana nangotraka nataon’i Emmanuel Macron tany Mayotte nialohan’ny diany tatsy La Réunion sy teto Madagasikara. Nandritra izany mantsy no nilazan’ny Filoha Frantsay, fa manomboka ny «Opération wuhura wa shaba » na « rideau de fer » izany hoe : rindrim-by entina hiarovana amin’ny fitsabahan’i Comores ao amin’ity Nosy izay efa lasa Departemanta Frantsay ity. Volabe hatrany amin’ny 3,2 miliara euros anatin’ny 6 taona no nambaran’i Macron fa hatontony amin’ny lafiny fandriampahalemana sy fiarovana.
TENA MIADY SY MITAKY NY KAOMORIANINA, MANAO SARIN’ADY NY MPITONDRA MALAGASY
Isan’ny kabary nisongadina sy nanome hafanana ny fihaonan’ny COI ny fahasahian’i Azali Assoumani, ary nisongadina tamin’ny lafiny ara-jeopolitika. Endrika toa maneho sy mampihanjahanja ny Filoha Malagasy izay toa nanafosafo tamin’ny resaka Iles Eparses raha mitaha amin’ny fahasahiana nataon’ny Filohan’ny Vondron’ny Nosy Comores. Ity Nosy ity izay vao avy nanao fanambarana diplaomatika iray volana lasa izay maneho sy manamafy ny tsy fanekena ny hametrahan’i Lafrantsa tobim-pamaharana ara-miaramila ao Mayotte hahafahany mifehy ny Ranomasina Indianina. Henjana sy mafonja kokoa ny fomba fiady ara-diplaomatika ataon’i Comores, ary nandritra ny dian’i Macron tany Mayotte aza dia nisy ireo mpanao fihetsiketsehana Kaomorianina nilanja sora-baventy, raha noforetin’ny mpitondra ireo nikasa hanao toy izany teto amintsika. Tena miady ry zareo, raha mamofompofona fanekena ho tompony mangataka atiny amina saritsarim-pitantanana eo ambany fitarihan’i Lafrantsa ny Fitondrana Malagasy amin’ny raharaha Iles Eparses. Tsy misy azo antenaina, ary ahiana ho tonga any amin’ny famadihan-tanindrazana avo lenta aza. Ny olona miady na ho any na tsy ho any tahaka an’i Maurice izay nahatafaverina ny ampahany betsaka tamin’ny Nosy Chagos izay nogiazan’ny Anglisy. Ny antsika toa manao sarin’ady sy mamahan-dalitra vahoaka raha raisina amin’ilay nilazana tamin’ny 2019 fa hiverina alohan’ny 26 jona 2020 ny Iles Eparses. Dia aiza izany izao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT