Satan’i Pretoria : Praiminisitra i Mangalaza

Mody i Marc Ravalomanana


  • Alakamisy 22 Aprily 2010

Miroso miandalana amin’ny fanomanana ny fiatrehana ilay diniky ny efa-tonta kasaina hotanterahina atsy Afrika Atsimo amin’ny 28 aprily izao ny etamazaoro politika samihafa na eo aza ny tsy fitovian-kevitra sy tsy fitoviana fomba fijery ateraky ny tsy fahampiam-baovao sy ny manodidina marina izay zavatra hotanterahina sy dinihina any.

Eo amin’izay indrindra dia miezaka mitondra ny angom-baovao nataony ny Tia Tanindrazana. Mazava aloha izany izao fa i Afrika Atsimo no firenena hampiantrano ny fivoriana, ary ny Filoha Jacob Zuma no tsy maintsy handefa ny fanasana amin’ireo filohan’ny ankolafy efatra. Mikasika ny tanàna handray ny fihaonana indray raha i Johannesburg no voalaza ombieny ombieny dia mety ho ao Pretoria no hisian’izany. Midika io fa tena fanasana maka endrika ofisialy sy raharaham-panjakana Afrikana Tatsimo satria atao amin’ny renivohitra. Tany am-piandohana dia i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana no nataon’ny ankolafy Rajoelina laza masaka fa hihaona amin’io, saingy nivoatra izany nony nihalalina ny adihevitra ka dia hasaina amin’ny dinika avokoa ireo mpitarika ny ankolafy efatra. Izay no midika fa mifanentana amin’ny satan’i Maputo, izay nosoniavin’ny efa-tonta rahateo, ity hatao ao Pretoria ity. Fa mikasika izay ho isan’ny mpikambana anaty delegasiona indray dia noferana ho fito isanisany avy, izany hoe mitovy amin’ny fepetra fihaonana nataon’ny GIC (Groupe International de Contact) hatramin’izay. Marihina fa rehefa tsy izy efatra no mihaona dia 1+6, na ny lehiben’ny delegasiona miampy olona enina no mihaona, toy ny natao tao amin’ny Carlton ny 06 oktobra 2009. Momba azy ity dia azon’ny mpitarika soloina hatrany araka izay hitany fa mampety azy ny mpanatrika noho ny fahaizana sy traikefa manokana ananan’ny mpiara-dia aminy fa ny isan’ny manatrika fivoriana kosa dia tsy mahazo mihoatra ny voalaza. Tsy ferana ireo mpanaraka hafa saingy mety tsy hiantohana ny fivahiniany any Afrika Atsimo.

Fanontaniana manitikitika ny maro koa ny hoe : iza no hitarika ny fivoriana ? Mazava ny amin’io fa ny GIC. Hatramin’izao mantsy tsy nisy nilaza mihitsy fa foana na tsy manelanelana intsony ny GIC. Etsy an-daniny, ny firenena rehetra sy fikambanana iraisam-pirenena dia nilaza hatrany fa matoky ny GIC, tarihin’i Joaquim Chissano. Ny andraikitr’i Lafrantsa izany eto dia mijanona ho tompon’ny hevitra fihaonana sy nanolotra sori-dalana (feuille de route) fotsiny ihany ary nampanaiky ny ankolafy Rajoelina hiverina amin’ny fifampidinihana an-databatra boribory. Lafrantsa no hany to teny aminy, satria ...?
Ny amin’ny nifidianana an’i Afrika Atsimo hanatanterahana ny fihaonana dia antony telo no azo heverina : voalohany dia izy no hany firenena Afrikanina anatin’ny G20 na firenena roapolo voalohany matanjaka ara-toekarena indrindra maneran-tany. Faharoa, i Afrika Atsimo no manan-danja aty Afrika, sy ao amin’ny SADC, indrindra raha ny lafiny ara-toekarena ary fahatelo mpiara-miasa ara-toekarena voalohany amin’i Eoropa sy Frantsa aty Afrika i Afrika Atsimo.
 
“France-Afrique”
Na izany aza dia mba manitikitika ihany hoe : nahoana no tamin’ity volana aprily ity no atao ny fihaonana ? Raha ny lojikan’ny fisehon-javatra hatramin’izao dia efa nomanina talohan’ny fanambaran’ny Lehiben’ny Etamazaoro (CEMGAM), izay nahafantatra ny fisian’ny «feuile de route» taloha ny valan-dresaka nataon’ny foloalindahy ny 12 aprily teo, izy ity. Fa ny tsy azo lavina dia efa tena sahirana ny FAT amin’ny fampandehanana ny raharaham-panjakana. Fa loharanom-baovao hafa koa no milaza fa mety tsy hanatrika ny fihaonana an-tampony “France-Afrique” ny firenena Afrikanina maro raha tsy voalamina araka ny tokony ho izy ny raharahan’i Madagasikara.
Fa manoloana ny savorovoro misy amin’izao fotoana izao dia maro koa no mametra-panontaniana ny amin’izay vokatra andrasana amin’ity dinika ity mba tsy hisy ho resy sy hiebo ho mpandresy? Ny azo antoka aloha dia ny hoe ny fifanarahana hivoaka eo dia mandray ampahany amin’ny satan’i Maputo sy tovana Addis Abeba ary ny “Teny Ifampierana”. Zavatra mety hitranga koa dia ny tapany voalohany dia ny fihaonana amin’ny mpifanandrina niantombohan’ny disadisa, ny tapany faharoa kosa iarahan’ny ankolafy efatra, ka ny lojikan’izay dia hisy ny fifanarahana soniavin’ny roa voalohany izay heverina fa ankatoavin’ny roa hafa.
 
Ny zavatra mety hivoaka amin’izay ary zava-dehibe ho an’ny tsirairay dia : ho an’i Andry Rajoelina dia izy no filoha. Ho an’i Marc Ravalomanana, dia afaka miverina an-tanindrazana avy hatrany izy dieny fitantanan’ny Governemanta iombonana. Ho an’i Didier Ratsiraka indray dia i Mangalaza Eugène no Praiminisitra ary tanteraka ny famotsoran-keloka sy fanonerana ny fahavoazana. Ho an’ny Pr Zafy Albert kosa dia izy no miandraikitra ny fampiavananam-pirenena. Ny vondrona iraisam-pirenena etsy ankilan’izany rehetra izany dia miandrandra fa vita eo ny ampahany «réconciliation politique» mba hahazoana miroso amin’ny fifidianana, hifanaraka ny ankolafy efatra amin’ny fananganana ny governemanta iraisana ka hijoro anaty fe-potoana faran’izay fohy ary atokisana ny mpikambana ao mba hiverenan’ny fanohanana sy fanampiana rehetra mandritry ny tetezamita izay haharitra arak’izay ilaina hanomanana sy hanaovana fifidianana hametraka rafitra maharitra.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

  • POLITIKA sy RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila mailo ihany ny tanora

  • RAHARAHAM-PIRENENA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Tsy nanao amboletra naka Fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT