Politique

Satan’i Pretoria Hitovy amin’ny tany Maputo sy Addis Abeba ihany ?


  • Alarobia 28 Aprily 2010

Tsy dia hifanalavitra loatra tamin’ny zavatra nifanarahana tany Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba ny mety ho endriky ny fifanarahan’i Pretoria, izay hosoniavina aorian’ny fihaonan’ireo filohan’ny ankolafy, anio hariva.

Hisy ny fanamboarana sy fanitsiana kely eny an-tsefatsefany eny, saingy tsy hanova ny tena vontoatiny izany rehetra izany. Ny Frantsay no ho be asa mialoha ny sonia satria tsy maintsy handresy lahatra an’i Andry Rajoelina mba hanaiky io fifanarahana io ry zareo, na dia efa nitsipaka ity endrika tetezamita iaraha-mitantana ity aza ity farany hatrany amin’ny herintaona no ho mankaty. Tsy hisy ny hahazo tombony amin’ny isan’ny toerana eo anivon’ny governemanta sy ireo andrim-panjakana ao anatin’ny tetezamita, fa dia hitovy lenta ny an’ny ankolafy tsirairay avy. Hanampy ireo ankolafy 4 amin’ny fandrafetana ny tetezamita ilay antsoina hoe « autres sensibilités ». Raha ny resaka nandeha hatramin’iny herinandro iny dia samy hahazo toerana 6 avy ny ankolafy 4, ary 7 kosa ny an’ny «autres sensibilités» ao anatin’ny governemantan’ny fampihavanam-pirenena. Hofoanana ny HAT ary soloina ny CST na ny filankevitra ambonin’ny tetezamita.

Mazava ho azy fa mijanona amin’ny toerany i Andry Rajoelina saingy mihena kokoa ny fahefany. Hohenjakenjana ny fifandresen-dahatra, ary efa hatry ny omaly no nifampidinika tamin’ireo mpanelanelana tany Afrika Atsimo ny vice amiral Hyppolite Ramaroson, praiminisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny eo anivon’ny HAT, ary efa nialoha lalana ny delegasionin’ny ankolafy Rajoelina. Tsy ho mora ny adihevitra, saingy maro no efa mieritreritra fa tsy hidongy intsony angamba amin’ity indray mitoraka ity i Andry Rajoelina satria efa ny reny malala no nanome toky azy sy nilaza ny toromarika rehetra. Ilain’ny Frantsay rahateo ny hitsanganan’ilay tetezamita iombonana sy iaraha-mitantana ahitana ny ankolafy rehetra, satria hotanterahana afaka iray volana ilay fihaonamben’ny Frantsa-Afrika, hanavaozana ilay fifanaraham-piaraha-miasa indray eo amin’i Frantsa sy ireo zanataniny fahiny. Sarotra ho an’ny mpitondra Frantsay ihany mantsy, ny hanasa amin’ny fomba ofisialy an’i Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita, raha toa ka tsy eken’izao tontolo izao ny fitondrana tarihany. Mitovy tsy misy valaka amin’izay ihany koa ny amin’ny 14 jolay 2010 amin’ny fetim-pirenena Frantsay. Filoham-panjakana ara-dalàna no asaina hanatrika io fotoana io fa tsy ny mpanongam-panjakana tsy eken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mihitsy.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT