Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amintsika dia manana tolo-kevitra hanatsarana ny satan’ny tetezamita ny antoko MFM, izay ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana.
Tsy voamarika tao anatin’ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana Addis Abeba ny tranga hoe hisy iray amin’ireo ankolafy hibahana na hisakana ny fampiharana izay voasonia. Tsy azon’ny ankolafy iray atao takalon’aina, hoy ny MFM ny fiainan’olona an-tapitrisany. Noho izany dia tokony hampiharina amin’izay firehana manahirana ny hoe «exception d’inexécution» izay manaisotra avy hatrany izay ankolafy sakana tsy hahatanteraka izay nifanarahana. Raha ny zava-misy ankehitriny, araka ny tolo-kevitry ny MFM dia i Andry Rajoelina no sakana, izy anefa no mbola mangeja ny raharaham-panjakana, manana ampahany betsaka ao amin’ny tafika. Nohamafisin’i Andry Rajoelina anefa fa tsy hanatanteraka izay nosoniaviny izy. Noho izany, hoy ny MFM izay tarihin’i Manandafy Rakotonirina dia andraikitr’ireo ankolafy 3 ny manohy sy manatanteraka izay nosoniavina.
Tazonin’ireo ankolafy 3 ihany koa ny satan’ny soatoavina tahaka ny satan’i Maputo sy Addis Abeba, sy izay mety ho fanovana hatao manoloana ny fivoaran’ny toedraharaha tsy misy ny ankolafy faha-4. Araka izay voafaritra dia andraikitry ny governemanta tetezamita ny manohy ireo asa fanao andavanandro, ny fanomanana ireo fifidianana tontosaina ao anatin’ny mangarahara, fahalalahana, ary handraisan’ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka anjara. Koa satria tsy filoha voafidim-bahoaka ny filohan’ny tetezamita dia tsy ny asan’ny filohan’ny Repoblika rehetra no iantsorohany. Tenierana avy amin’ireo filohan’ankolafy 3 ny fanendrena izay ho filohan’ny tetezamita izay miantoka ny filaminana ara-tsosialy ary tsy afaka mikitika na manova izay praiminisitra efa niombonan’ny rehetra ny fanendrena azy. Foana koa ny toeran’ny filoha lefitry ny tetezamita, araka ilay tolo-kevitry ny MFM. Ny filohan’ny tetezamita no manendry ireo praiminisitra lefitra nofinidin’ireo ankolafy 3 izay atolotry ny praiminisitra. Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny manendry na koa mampody ny governeran’ny banky foibe, ireo masoivoho, saingy tsy mitovy andraikitra amin’ny filohan’ny Repoblika ny filohan’ny tetezamita izay tokony hitazona ny efa mipetraka fa tsy manova ka na averina amin’ny asany ny governera nialoha ny fanonganam-panjakana raha toa ka tsy mbola lasa nisotro ronono, na izay olona faharoa aoriany no mandimby azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.