Hatreto aloha dia samy tsy misy mahafantatra izay hoavin’ny firenena. Ny hany fantatra dia efa an-taonnay izao no nahalatsaka tanaty lalina ny firenena ary hatramin’izao dia tsy mbola hita izay mangirana. Samy miandry na isika na izao tontolo izao, hoy ny antoko Sangan’i Madagasikara mpikambana amin’ny “Force Médiane Mixte (FMM)”. Eo am-pelatanan’ny Vondrona Afrikanina ny raharaha Madagasikara, araka ny fanazavana. Manoloana izany ary dia vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny dinika politika faharoa karakarain’ny Cnosc ny FMM. Amin’izy ireo dia aty amin’ny samy Malagasy ny vahaolana ary dia tompon’ny hoaviny ny Malagasy, hoy ihany ny Sangan’i Madagasikara.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.