Politique

Samihary Floriot Tokony hisy Fampihavanana eto Madagasikara


  • Talata 09 Aogositra 2011

Miteraka resabe etsy sy eroa ankehitriny ny filazan’ny filohan’ny FAT fa hosarahana indray ny fifidianana Kaominaly sy Faritra na dia efa nolanian’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita tetsy Tsimbazaza aza ny volavolan-dalàna natolotra azy ireo amin’ny fanambarana ireo fifidianana ireo.

 Ho an’ny CT Samihary Floriot, filohan’ny TAMAMI dia misy lafiny ratsy sy tsara avokoa na atambatra ireo na tsia. Nohamafisiny fa tsy misy fifidianana voafaritra hatreto saingy tokony hojerena tsara ihany izay fifidianana hotanterahina ary hita fa mety hahafatafavoaka antsika amin’ny krizy ary eken’ny iraisam-pirenena. Tsy mbola mahaleotena tanteraka mantsy isika, raha ny filazany. Araka izany dia ilaina hatrany ny fifanomezan-tanana amin’ireo firenena hafa, hoy ity CT ity, fa io ihany koa no fototry ny fampandrosoana. Mila tolo-tanana miainga amin’ny olom-pirenena tsy ankanavaka koa izany, hoy izy, fa na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy mandalo fifidianana isika saingy misy lalana hafa tokony harahina mialoha izay dia ny “Fampihavanana”. Io no tena soatoavina Malagasy. Nanamafy i Samihary Floriot fa hiatrika izay fifidianana rehetra hotanterahana eo ny TAMAMI.

 

Manohy

 

SARY : Samihary Floriot, filohan’ny TAMAMI 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT