Politique

Sakoroka teny Ivato Zanak’i Dada maromaro nandefasana fiantsoana


  • Alakamisy 16 Jona 2011


Sakoroka nitranga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andron’ny alahady 05 jona, niaingan’ireo delegasiona avy amin’ireo vondrona politika miisa 11 nasain’ny SADC hihazo an’i Gaborone no nitarika ity fampiantsoana hatao famotorana ity. 25 olona, ka vehivavy zanak’i Dada ny ankamaroany, no nandefasana fiantsoana, izay manaitra ihany satria dia olon-tsotra, vehivavy, no mizara izany hatreny an-kianja. Araka ny loharanom-baovao dia ireo mpikambana nisintaka tao amin’ny Tiako I Madagasikara, no ao ambadik’ity fanenjehana azy 25 ireo ity, fa hoe nikasi-tanana teny Ivato teny tamin’io andro io. Ho an’ny mpandinika dia miaro mafy ny sezany ireo nivadika tamin-dRavalomanana ka mampihorohoro mba hanapotehana ny hetsika ao amin’ny Magro. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT