Politique

Sakoroka tany Soamahamanina 1 naratra, 2 voasambotra


  • Zoma 23 Septambra 2016

Araka ny efa nampoizina, nifanjevo tanteraka ny tany Soamahamanina nandritra ny fitakiana nataon’ny vahoaka omaly.

 

 Raha tsiahivina, tapitra ny fe-potoana nomen’ireo mponina any an-toerana hanorenan’ny sinoa ny fitaovany ka nahatonga azy ireo nanamafy ny hetsika. Tsy toy ny hetsika teo aloha fa niha nitombo isa ireo vahoaka izay nanao filaharambe niainga tao an-tampon-tanàna nihazo ny reniranon’Ikalariana. Efa niandry azy ireo teo amoron’ny renirano kosa ny Emmoreg nalefan’ny fanjakana hisakana ity hetsi-bahoaka tsy mankasitraka ny fivarotana sy fanapotehana tanindrazana ity. Nosakanana teo ireo vahoaka saingy tsy naharesy tosika azy ireo ny Emmoreg ka dia nirarakompana ny baomba mandatsa-dranomaso. Nisy ihany koa ny fandorana tanety nandritra ny hetsika. Naneho fa vonon-ko faty ho an’ny fiarovana ny tanindrazany ireo vahoaka ka tsy nikoso-maso tamin’ny fihetsik’ireo mpiaro ny sinoa sy ny fanjakana mpivarotra tanindrazana. Vehivavy iray no naratra mafy nandritra ny hetsika ary lehilahy 2 no nosamborina saingy efa votsotra. Milaza ny mbola hanohy ny fitakiany ny vahoaka ary ho mafy kokoa noho ny omaly ny hetsika raha mbola minia miziriziry amin’ny heviny ny sinoa sy ny fanjakana.


Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT