Nifampiarahaba noho ny fahatrarana ny taona tetsy amin’ny live hotel 67 hektara omaly ry zareo mpikambana ao anatin’ny Sahia ry Gasy Ndao (SGN) na ilay vovonana ho an’ny fiarovana ny repoblika fahefatra sy ny fiandrianam-pirenena izay tarihin’ny depioten’i Moramanga, Charles Randriamahefa.
Nitatitra ny zava-bita nandritry ny taona 2016 no niandohan’ny resaka. Raha ny fanazavana, niasa mangina ny fikambanana mba tsy hivaona amin’ny foto-keviny. Mahatsapa izahay raha mijery ny zava-misy any ifotony, toy ny any ambanivohitra fa mbola mamim-bahoaka ny filoham-pirenena ankehitriny ary nisy ny zava-bita, toy ny fahazoana famatsiam-bola sy ny fahavitana fotodrafitrasa isan-karazany, hoy izy ireo. Manohana tsy misy fepetra ary vonona ny hampandany indray ny filoha ny vovonana. Mila olona mahitsy sy marina ary mitovy firehan-kevitra aminy sy tsy hamingana azy ny filoha mba hampandrosoana ny firenena. Nilaza moa ity vovonana ity fa afaka mirotsaka ny rehetra fa mino kosa fa ny filoha ankehitriny ihany no mbola mety ho lany eo.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.