Politique

SADC Neken’ny FAT hitoetra eto ihany


  • Talata 07 Septambra 2010


Nandritry ny fihaonana fahatelopolon’ireo filoham-panjakana sy governemantan’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny SADC, tany Windhoek renivohitr’i Namibia farany teo no nanapahana fa dia hanokatra biraom-pifandraisana eto Madagasikara ity vondrom-paritra ity. Hpetraka eto amintsika izy ity mba hanamora ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amintsika, anisan’izany ny fizotry ny dinika famahana ny krizy eo amin’ny samy Malagasy. Ny filoha mozambikana teo aloha, Joaquim Chissano, izay nofidian’ny SADC hitarika ny fanelanelanana no miahy sy mitarika izany birao izany. Omaly moa dia nisy ny fanambarana nataon’ny sampandraharaha misahana ny serasera eo anivon’ny ministeran’ny raharahambahiny FAT manamafy fa dia hapetraka eto Madagasikara io biraon’ny SADC io. Azo adika ho toy ny fankatoavan’ny FAT ny fametrahana izany birao izany ity fampahafantarana ofisialy ity. Be dia be tokoa manko ny resaka re tetsy sy teroa, nilazana fa tsy mila vahiny hanelanelana amin’ny famahana ny krizy eto amintsika, teo koa ny hoe tsy mila SADC intsony i Madagasikara ary dia ny filohan’ny FAT izao mihitsy no niteny tamin’ny fiandohan’ny volana aprily 2009 raha nanomboka nampahafantatra ny tenany amin’ny maha filohan’ny FAT azy izy, ka nitety faritra fa hiala eo anivon’ity vondrom-paritra ity i Madagasikara. Ankehitriny moa dia niova indray ny rasa, ka ny nolavina omaly, tsy maintsy ekena androany na koa ny nekena dia nolavina tsotra izao, araka izay mampametimety ny fahefana FAT. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT