Politique

SabNam, Ambatonakanga, Tanambao V … Dada n’aiza n’aiza !


  • Talata 16 Aogositra 2011

Sabotsy Namehana, Behoririka, Ambatonakanga, ary Tanambao V Toamasina raha tsy hitanisa afa-tsy ireo toerana ireo dia samy nandraisan’i Dada anjara fitenenana avokoa ny faran’ny herinandro teo nanaovany fampitam-baovao amin’ny dingana misy ny famahana ny krizy amin’izao fotoana izao sy ny toeran’i Madagasikara eo anatrehan’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena.

 Fihaonamben’ny Tiako i Madagasikara, tsy nivadi-belirano tamin’ny filoha Ravalomanana ao Manandriana Avaradrano sy Sabotsy Namehana no natao tao amin’ny kolejy MASCA SabNam, ny sabotsy teo, ho fanamafisana ny serasera sy fananomanana ny fiverenana an-tanindrazan’ny filoha Marc Ravalomanana. Tamin’izay no nilazan’ity farany tamin’ny antso an-tariby fa azo antoka fa tsy ho ela ny fiverenany raha ny fizotry ny raharaha amin’izao. Namerina ny tantara niseho tato anatin’ny telo taona sy ny fepetra toy sazy sy ny fanapahan-kevitry ny vondrona iraisam-pirenena ny Filoha Ravalomanana raha niditra an-tariby nandritra ny seminera narahina adihevitra mikasika ny raharaham-pirenena nokarakarain’ny Vondron’olontsotra tao amin’ny Bon Accueil Ambatonakanga ny tolakandron’ny alahady teo.

Hentitra ny tenin’Atoa Marc Ravalomanana tao fa tsy hanao sonia ilay sori-dalana nasiam-panitsiana ny tenany raha tsy tafaverina eto Madagasikara. Nambarany koa fa «tsy mora ny hanarina izao firenena izao kanefa maro ireo firenena sy mpiaramiombon’antoka te hanampy raha vonona isika». Ankoatra izay dia nampahafantariny koa fa nanomana dosie haroso amin’ireo filoham-pirenena hivory any Luanda manomboka rahampitso ny tenany, fivoriana izay hanapaka ny tetiandro hanaovana sonia ny soridalana ny fampiharana izany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT