Mbola mijanona ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana ny antoko PSD misy ny minisitra Ruffine Tsiranana ary mbola hijanona ao raha toa ka olona mifanaraka amin’ny foto-kevitra nanendrena azy no hasolo ny toerana raha misy izany ka eken’ny rehetra.
Re tao Anosy misy ny birao fiasan’ity minisitry ny fitsinjaram-pahefana ity io omaly raha tonga nitsidika sy niarahaba azy noho ny taona vaovao ny delegasiona avy any amin’ny Faritra Sofia notarihin’ny lehiben’ny Faritra, Atoa Manambina. Lehiben’ny Distrika 3 niaraka tamin’ny Ben’ny tànana maromaro avy any Sofia no tonga nitsidika an-dRtoa Ruffine Tsiranana tetsy amin’ny birao fiasany etsy Anosy omaly. Reharehanay Faritr’i Sofia ny fananana anao solontenanay aty amin’ny mpanatanteraka foibe, hoy ny Lehiben’ny Faritra Sofia nisolotena azy rehetra. Be ny zava-bitanao tany an-toerana niavianao nefa mbola mangataka ny misimisy kokoa hatrany izahay, hoy izy. Mbola nangataka an-dRtoa minisitra ho avy indray hanome voninahitra ny andriambavilanitra any Sofia ny solontenan’izy ireo amin’ny fankalazana ny andron’ny 8 martsa 2013. Mila fanampiana manokana ny viavy any amin’ity Faritra ity ary izy manontolo fa tsy tokony hasiana fanavahana, hoy ny fangatahan’ity solontenam-behivavy ity.
Fangatahana iray minitra fahanginana ho fahatsiarovana ny naman’ireto Ben’ny tanàna ireto namoy ny ainy omaly no voalohan-tenin-dRtoa minisitra ary nirary soa sy nitso-drano an’ireto olom-panjakana ireto, indrindra ireo izay mbola manana eritreritra hanohy ny taom-piasany na hirotsaka amin’ny fifidianana avoavo kokoa amin’ny ho avy. Mampanantena ny vehivavy any Sofia aho fa ho avy indray tahaka ny tamin’ny taon-dasa amin’ny 8 martsa, hoy izy, ary hatao tsaratsara kokoa aza ny amin’ity. Mbola mampanantena ny hanao tsaratsara kokoa ho an’ny rehetra aho, hoy Rtoa Ruffine Tsiranana, satria rehefa minisitra ny tena dia tsy mizaha loko politika fa ny fampandrosoana ny rehetra no banjinina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.