Ny loholona Ruffine Tsiranana no vahinin’ny Tia Tanindrazana eto anio ato anatin’ny Mivantambatana. Sady zanaky ny Repoblika voalohany izy no Vavimatoan’ny filoha Philibert Tsiranana rahateo. Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena dia manana izay ambarany sy fahitany ny toe-draharaham-pirenena ity zanaky ny rain’ny Fahaleovantena ity.
Tia Tanindrazana (T.T) : Resa-pianakaviana no hisantarantsika ny dinika. Iaraha-mahita fa tsy mitovy hevitra ianareo samy mpiaray tampo manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena. Inona no fiantraikan’izay ? Ruffine Tsiranana (R.T) : Betsaka ny tranga toa io amin’izao fotoana izao eto amintsika. Na mpivady aza misy ny tsy mitovy hevitra, izaho manana ny foto-kevitro, izy koa manana ny foto-keviny. Tsy mampiova zavatra izany. Amiko, Ravalomanana no nahavita betsaka indrindra.
TT: Efa miresaka izay ihany ianao, nambaran’i Andry Rajoelina fa tsy nisy nahavita na inona na inona ireo rehetra nitondra teto tato anatin’ny 50 taona. Ahoana ny hevitrao ?
RT: Sanatrian’ny vava tsy nahavita na inona na inona ve izy ireo dia ho toy izao isika ? Tokony havadika im-pito ny lela vao miteny. Inona moa no mba vitan-dry zareo amin’izao ? Tsy misy na inona na inona vitan’izy ireo.
TT: Eo amin’ilay hoe tolom-bahoaka indray, inona no tena mbola antenainareo amin’ireo hetsi-bahoaka ?
RT: Marina fa tsy maintsy misy hakiviana kely. Tsy misy atao mahakivy anefa satria na hiodin-kavanana, na hivadin-kavia, tsy hisy hankato an’io FAT io ny iraisam-pirenena. Frantsa no mihatsaravelatsihy, mandroso mihemotra. Feno fanantenana aho kah ! Rajoelina tsy miantsy ho any Pretoria hifanaraka amin’ireo filoham-pirenena telo mirahalahy.
TT: Fa inona marina tokoa moa izany no andrasanareo amin’izay ho dinika any Pretoria ho avy eo ?
RT: Ny satan’i Maputo sy Addis Abeba no fototra iaingana amin’ny dinika. Tenierana sy hifanarahana avokoa ny zavatra rehetra, izay no fanantenako.
TT: Koa raha miziriziry ny ankolafy sasany dia ahoana ?
RT: Raha miziriziry i Andry Rajoelina dia ho hitan’ny havany eo. Aleo hoentin’ny ankolafy telo. Tsy misy afa-tsy izay. Raha ny tena izy aza anie, tsy tokony hitondra mihitsy ny mpanongam-panjakana e ! Isika moa anefa dia manaja ilay hoe fihavanana, fandeferana, tsy misy herisetra. Tokony ho efa anjorom-bala izy tahak’izay !
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.