Tena nisondrotra noho ny politika nataony mihitsy Rtoa Irma Naharimamy, izay sekretera mpanatanteraka ny antoko TGV ao Toamasina.
Niatomboka tamin’ny naha mpanolotsain’ny lehiben’ny Faritra Atsinanana, Alain Mahavimbina azy izy ny taona 2009, avy eo voatendry ho lefitra faharoan’ny PDS Toamasina ny volana jona 2010, izao indray dia voatendry ho anisan’ireo 256 mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita. Eto amin’ity farany anefa no misy indro kely ankehitriny, satria hatramin’ny nanoratana ny vaovao, dia tsy mbola nametra-pialana amin’ny maha lefitra faharoan’ny PDS-n’ny kaominin’i Toamasina I azy izy ka mahatonga ny ao Toamasina hanontany tena fa sady ho lefitry ny PDS ve izany ity Ramatoa ity, no depioten’ny tetezamita ? Asa tsy azo ampirafesina amina asam-panjakana hafa ankoatra ny mpampianatra ny asan’ny depiote. Raha hosoloina anefa izy dia iza no ho solony, satria raha ny lalàna koa no arahina dia mazava ny voasoratra mikasika ny fametrahana PDS-na kaominina fa farafahakeliny dia telo no apetraka amin’izany, dia ny tompon-toerana sy ireo lefiny anankiroa mpanampy azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.