Politique

Roland Ratsiraka Tsy tokony ho tezitra ireo tsy mahazo seza


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010

Araka ny filazan’i Roland Ratsiraka mpikambana ao amin’ny CST dia aorian’ny fahavitan’ny fitsapan-kevi-bahoaka amin’ny 17 novambra no hanendrena ireo mpikambana enina ambiny ao amin’ny kongresin’ny tetezamita.

Tsy midika anefa izany fa hahazo toerana ao avokoa ireo izay mimenomenoa amin’izao fotoana, hoy izy ary tsy tokony ho tezitra mihitsy izay tsy tafiditra satria tsy resaka seza no mahamaika amin’izao fotoana fa ny fikarohana hevitra hamahana ny krizy. Nisarika ny sain’ireo mpanao politika moa Atoa Roland Ratsiraka ary nilaza fa fa tsy aleon’izy ireo ve olom-boafidy fa tsy hiady varotra ho olom-boatendry ? Hafa kokoa mantsy ilay hoe ny vahoaka no nametraka anao teo amin’ny seza noho ilay hoe notendrena ianao, ka mety hailika ihany koa amin’ny fotoana tsy ampoizina. Nambarany ihany koa fa mety hisy ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta aorian’io 17 novambra io, izay tafiditra amin’ny fampiharana ilay fifanarahana politika nosoniavina teny Ivato. Notsindriany anefa fa tsy misy izany seza ho an’ny antoko politika rehetra izany fa fifanarahana no atao. Ezahana kosa ny ahitana ny firehana rehetra ao anatin’ireo fanendrena vaovao ireo. Efa tsinjo dieny izao sahady anefa fa tsy hanaiky mora foana izany ireo mpanao politika nivory teny Ivato sy Vontovorona izay mahatsiaro tena fa voafitaka.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT