Politique

Roland Ratsiraka “Tsy te-hiady intsony aho”


  • Zoma 25 Janoary 2013

Isany mpiara-dia nanongana ny fitondran-dRavalomanana ny taona 2009 i Andry Rajoelina sy Roland Ratsiraka. Ity farany aza no nampisahanina manokana ny faritan’i Toamasina. Nony taty aoriana anefa dia tsy nitovy intsony ny tadin-dokangan’izy ireo. Resaka manokana nifanavaona tamin’i Roland Ratsiraka.

 Tia Tanindrazana (TT) : Nampahatsiahy ny tantara tamin’ny fanamboarana ny manoloana ny Lapan’ny tanàna ianao ny alahady teo, valin-kafatra avy hatrany no nataon’ny filohan’ny tetezamita. Midika inona aminao ireny Atoa Roland Ratsiraka?

Roland Ratsiraka (RR) : Nampihomehy aloha ny fomba famalian’izy ireo ny fanazavako. Na izany aza dia misaotra ny fitondrana tetezamita nahavita ny fanarenana ny Lapan’ny tanàna. Tsy te-hiady amin’izy ireo intsony aho, satria fantatrareo tsara fa efa kandida ho filoham-pirenena ny tenako, ka tsy hiditra amin’ny fandrika sy ady madinika mety hanaratsy ahy aho. Ny tsara ho fantatry ny vahoakan’i Toamasina fotsiny dia volan’ny seranan-tsambon’i Toamasina no nanarenana sy nanamboara io Lapan’ny tanàna sy ny lalana ireo, fa tsy volan’ny fitondrana tetezamita izany. Isany niady mafy izany tamin’ny tale jeneralin’ny seranan-tsambo ny tenako nanomboka ny taona 2009 ireny, nefa moa natao resaka politika ny raharaha dia samy nidera tena nahavita avokoa izy rehetra.

TT: Inona àry no nahatonga ny resaka nandeha fa nisakana ny fampandrosoana an’i Toamasina ianao?
RR:
Politika no resahina ka tsy miala ao anatin’izany ny fingampingana samy hafa. Ry zareo mpitondra koa no tompom-pahefana ka afaka miteny amin’ny onjam-peom-pirenena sy ny fahitalavi-pirenena, ka afaka miteny sy manaratsy izay tsy tiany sy heverin’izy ireo ho adversera politika, dia aleo nangina nanohy ny ezaka ho fanomanako ny maha-kandida ahy aho. Ny marina anefa tsy maintsy hipoitra foana, ka ho hitantsika eo ny tohiny satria mbola maro ny asa tsy vita eto Toamasina.

TT: Tsy hilatsaka Atoa Ravalomanana sy Atoa Rajoelina, ny hevitry ny MTS tarihinao?
RR:
Amiko dia samy hendry sy tia tanindrazana ary mitsinjo ny vahoaka Malagasy izy mirahalahy. Ny nanaitra ahy dia efa miandry ny baikon’ny SADC ve vao tonga saina izy ireo ? Ny filohan’ny tetezamita ihany koa nilaza fa mety hahatonga an’i Madagasikara ho toy ny Cote d’Ivoire ny fiziriziriany sy ny fanalavana lava ny tetezamita. Voa ihany isika ao anatin’izany, satria tsy tokony ireo firenena tsy manana kolontsaina ny demokrasia sy tsy misy fahalalahana ary firenena tia fahefana mihintsy no hibaiko antsika fa isika ihany.

TT: Ny hevitrao mikasika ny filazan’i Andry Rajoelina fa zaoridira ny entana no nomen’Ambatovy ny Kaominina?
RR:
Miombon-kevitra aho, fa siangy ilay filazany fa alaivo ny fanaka dia atero amin’ny fiara mpitatitra fako eo am-bavahadin’ny orinasa Ambatovy tsy azo ekena satria tsy fanajana tena izany. Fony aho mbola Ben’ny tanàna no nanomboka niditra teto ny tetikasa Ambatovy, ary efa fitakiana nataoko tamin’izy ireo ny tsy maintsy ny hanaovany asa sosialy sy fampandrosoana ny Kaominina. Izao dia fantatsika fa nanome 25 tapitrisa dolara ny tetikasa Ambatovy. I Toamasina no tokony hahazo betsaka amin’izany ary izany izao no tokony hiadiana mafy fa tsy hifanaratsy fotsiny eto.

TT: Ny teninao hamarantsika ny resaka Atoa Roland Ratsiraka
RR:
Averiko fa efa kandida ny tenako izao ka tsy te-hiady intsony na dia kolontsain’izy ireo aza ny te-hiady foana. Ny tanjona izao dia hahavitan’ny fifidianana ny volana may ho avy izao, mba hanana filoha vaovao amin’izay isika hamahana ny krizy. Tsiambaratelo omeko anareo izao, raha ny MTS no lany eo dia hapetrakay ny governemantan’ny firaisankina nasionaly mba tsy hiverina intsony ny olana ara-politika eto, ary mba hipetraka amin’izay ny soatoavina Malagasy, izay fenitray eto anivon’ny Malagasy Tonga Saina, ka isan’izany ny fifanajana sy fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika sy ara-repoblikana.

Nangonin-dRakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT