Politique

Roland Ratsiraka Tsy matoky ny CENI


  • Zoma 02 Aprily 2010


Tsy nangarahara araka ny tokony ho izy ny fanendrena ireo mpikambana 16 farany teo ao amin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI, araka ny fanambaran’i Roland Ratsiraka, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy, nandritra ny kongresin’ny antoko MTS, izay izy rahateo no filoha nasinaliny, tao amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny alarobia teo.  Anisan’ireo mpanao politika tsy matoky fa mahaleo tena marina CENI i Roland Ratsiraka. Ny mety mahatonga izany araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy dia satria misy amin’ireo mpikambana ao amin’ny CENI no mifankahazo sy mifanerasera be loatra amin’ny mpitondra ny tetezamita. Manampy izany moa dia ohatry ny nihazakazahana be izany ny nanaganaa ity vaomiera ity. Nambaran’i Roland Ratsiraka moa fa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana ny antoko tarihiny raha ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fanaovana izany, ary raha azo antoka fa miasa an-kalalahana sy tena manana ny fahaleovantenany marina ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana.

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT