Na dia mbola sahiran-tsaina amin’ny fampielezan-kevitra sy ny fitantanana ny firenena ary ny handaminana ny ady seza eo anivon’ny kongresin’ny tetezamita, izay tsy mbola voatendry aza Atoa Andry Rajoelina sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, dia efa manangasanga any indray ny ady seza manaraka, dia ny fananganana ilay governemantan’ny firaisam-pirenena araka ny hevitra tapaky ny fifanarahana politika sy ny fihaonambem-pirenena.
Ho an’i Roland Ratsiraka, mpikambana sady filoha lefitry ny CST no filohan’ny MTS dia tokony hiroso amin’ny dingana manaraka indray isika rehefa tafapetraka ny Parlemantan’ny tetezamita. Ny fanovana ny mpikambana eo anivon’ny governemanta moa io hoe dingana manaraka io. Tsy maninona aminay MTS raha mijanona ho praiministra i Camille Vital, hoy i Roland Ratsiraka, saingy tokony hifampizarana kosa ny toerana amin’ireo ministera 30 ; ka atao hita taratra ao ny tena fisokafana amin’ny ankolafy politika rehetra. Tsy adino ihany koa ny fiaviana isam-paritra. Tahaka ny efa manery an-kolaka an’i Andry Rajoelina hametraka haingana governemanta vaovao sahady izany tolo-kevitry ny zana-drahalahin’ny amiraly Ratsiraka izany raha ny fahitana azy, satria vantany vao nahare io fanambarana io ireo mpanao politika nanao sonia teny Ivato dia efa taitaitra sahady ary efa manana anarana atolotra hotendrena ministra. Fantatra fa efa samy manana anarana avokoa ireo vondrona politika isan-karazany tahaka ny UDR, ny Escopol, ny «Les AS».
Araka ny fantatra dia fanovana goavana no takian’izy ireo, ka tsy maintsy hosoloina ny ankamaroan’ireo minisitra amin’izao fotoana, indrindra fa ireo izay manana olana amin’ny resaka fitokonana isaky ny mihetsika. Somary hanahirana an’i Andry Rajoelina ihany anefa ny hanilika avy hatrany ireo olona niara-nitolona taminy, na dia hita izao aza fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny departemanta tarihany, ary tsy nahitana vokatra mivaingana. Hifantoka amin’ity resaka fanovana ny governemanta ity indray ny tontolo politika amin’io herinandro ambony io, ary efa hita taratra dieny izao fa ho mafy ny adivarotra sy ny ady seza.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.