Politique

Roland Ratsiraka Manahy ny hisian’ny krizim-pifidianana, tsy azo antoka ny CENI


  • Talata 25 Mey 2010

“Ireo soatoavina Malagasy afaka manatsara ny hoavin’i Madagasikara”, no lohahevitry ny lahadinika nifanaovan’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy Tonga Saina sady filoha lefitry ny FAT, Roland Ratsiraka sy ireo mpiara-dia aminy ary ireo olona nasainy, tao amin’ny trano fandraisam-bahiny “Le Neptune” ny zoma fiafaran’ny tolakandro teo. Naharitra adin’ny roa ny fihaonana.

Teratany frantsay tokana no tonga tamin’ny nasaina, nefa lany tamin’ny teny frantsay ny 90%-n’ny fotoana. Malagasy avokoa ny 99,9%-n’ny olona tonga nanoina ny antsony. Amin’ny Malagasy Tonga Saina (MTS) tarihan’i Roland Ratsiraka, dia misy 12 ny soatoavina Malagasy tokony hampiharina eto Madagasikara. Zava-dehibe amin’izany “ny fihavanana, ny vahoaka sy ny firenena, soatoavina repoblikana, ny andraikitra omena ny vehivavy, ny fampivoarana ny olona avy amin’ny olona ho an’ny olona, ny andraikitry ny fanjakana, ny fanavaozana ny fanaovana politika, ny fametrahana amin’ny toerany ny fivavahana sy ny finoana, …ary ny firaisam-pirenena sy ny filaminana ara-tsosialy”. Nohamafisin’i Roland Ratsiraka fa “ny fifidianana ihany no vahaolana amin’izao krizy mitarazoka izao, nefa raha mbola io CENI sadasada sy tsy mangarahara ary manara-drenirano izay ambaran’ny fanjakana io no hanomana azy, dia hampisalasala ny vokatra ho azo, ary hampisy indray krizy politika vaovao eto”. Nantitranterina mantsy fa “hatramin’izao dia tsy mazava ny asan’ity CENI ity ary tsy feno ny isany ; ny bileta tokana koa kasaina hampiharina nefa ny fampianarana sy fitaizana ny vahoaka izay mihoatra ny 70% tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory, tsy misy hatramin’izao”.

Nandritra ny adin’ny roa naharetan’ny dinika no nilazan’ny filoha lefitry ny HAT fa “ny fanjakana nisy hatramin’izay ka hatramin’izao eto amintsika, dia fanjakana manao fanamparam-pahefana, fanjakana manao ramatahora fotsiny ary fanjakana ratsy endrika noho ireo mpiasany manao toetra tsy mendrika sy mampihatra fahefana diso tafahoatra loatra”. Nambarany hatrany fa “tsy afaka hangina amin’ny zavatra toy izany ny MTS noho izy antoko tsy faly mahazo fitondrana na seza fiandrianana fotsiny, fa mijery sy manakiana raha misy ny tsy mety, tahaka ny fanararaotana be misy ankehitriny noho ny fahefanana am-pelatanana, ny fisamborana etsy sy eroa nefa efa nanakianana ny teo aloha fa mahatonga fanjakana tsy refesi-mandidy izany ary ny fitantanana gaboraraka ny volam-panjakana ka maharitra ny volam-bahoaka”. Ankoatra izany, ny nisongadina dia i Eustache Ramoravelo, lefitra faharoan’ny ben’ny tanàna, izay nivadika loko teo imason’ny rehetra ary sahy nilaza mihitsy fa “nopotehina ny fampianarana, torak’izany ny fanjakana; izao indray ny finoana tafiditry ny politika ; isika izao no hanarina sy hanova izany ho tena fanjakana marina”. Ny tsikaritra nandritra ity fihaonana tao nataon’ny MTS tamin’ny olona nasainy sy ny mpiara-dia taminy ity koa, dia tsy tazana tao ireo mpiara-dia sy mpiara-mitolona maro niaraka tamin’i Roland Ratsiraka hatramin’izay.

 
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT