Nandritra ny fivahinian’ireo isan’ny solon-tenan’i Toamasina niatrika ny fihaonabem-pirenena farany teo, tao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray RFT (Radio Feon’i Toamasina), notarihan’Atoa Manajara James Anthonio, ny talata alina teo ka nanazavan’izy ireo ny fandehan’ny fipoiran’ity volavolan-dalam-panorenana ity ; dia hita tamin’ireo antso an-tarobia nandraisan’ny mpihaino anjara mametraka fanontaniana fa miha-lefy laza ao Toamasina ingahy Roland Ratsiraka filohan’ny Malagasy Tonga Saina (MTS) noho ny politika « misabaka » sy « tsy mazava » ataony.
Raha tsorina ny hevitra ireo olona ireo dia « manao politikan’ny mpitari-bato vilam-bava ingahy Roland Ratsiraka, ka hafa ny ambarany raha vao tonga eto Toamasina izy, hafa koa ny lazainy raha vao tonga any Antananarivo izy » ; nisy mihitsy vokatr’izayn ireo nahitsy fitenenana ka nilaza fa « tokony ho tsorin’ingahy Roland Ratsiraka ny tena tiany atao, fa tsy ny vahoakan’i Toamasina no lalaoviny noho ny fitiavan-tsezany. Raha te-hivarotra ny vatany sy ny fanahiny amin’ny fanjakana FAT izy dia tsy tokony handrebireby vahoakan’i Toamasina ihany koa », teo koa ireo tsy namadika im-pito ny lelany intsony noho ny fahatezerana be loatra ka namoaka teny mihitsy fa « ny sakana ataon’ingahy Roland Ratsiraka sy ny fanjakana FAT no mahatonga ny fihemorana eo amin’ny fahatongavan’ny amiraly eto an-tanindrazana ». Isan’ny nahatonga izao toe-javatra nisiana fankahalan’i Toamasina ny filohan’ny MTS izao, ny filazany fa « ity volavolan-dalampanorenana hofidiana ity no lalampanorenena ratsy indrindra hatramin’izay 50 taona nahazoana ny fahaleovantena izay, ka tsy hitako izay tokony hifidianana azy io hitantanana ny firenena », tsy niodina akory ny 24 ora dia ingahy Roland Ratsiraka ihany no niakatra fahitalavim-pirenena nijoro indray fa « tena volavolan-dalampanorenana isan’ny tsara sy tokony ho laniana hitondrana an’i Madagasikara indray ilay lalampanorenana » ; ka noho io politika tsy mitombina sy misabaka sy mampiesona vahoaka io, no mahatonga an’i Toamasina ho leo an’ity filohan’ny MTS ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.