Politique

Rodoben’ny Malagasy Toamasina Nanamafy ny firaisankinany


  • Talata 02 Aogositra 2011

Fahombiazana ny hetsika ankalamanjana voalohany nataon’ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina tao an-tokotanin’ny Magro Tanambao V ny tolakandron’ny alahady 31 jolay teo.

 Hetsika famafisana ny firaisankina izy ity, hoy ireo mpikarakara. “Teto no nanombohantsika ny hetsika ka eto koa isika no hamarana ny krizy sy hanavotra ny firenena”, hoy ny GTT Toamasina sy ny tanora Tia Tanindrazana. Nohamafisin’i Dahy Emilien (Ankolafy Ratsiraka) izany ka nilazany fa “mangalaha honon-draha isika manomboka niany, fa simba ny hoavin’ny firenentsika sy ny vahoaka Malagasy”.

Ho an-dRasamimaka Mahefalahy (Ankolafy Ravalomanana) kosa, dia nambarany fa “tsy misy raharaha vanona sy fifidianana mandeha izany eo raha tsy tafaverina i Dada sy i Deba, fiarahana mitantana ihany ho vahaolana hampilamina ny krizy, ary fanajana ny teny nomeny sy ny sonia natao ihany no hiverenan’ny fahatokisan’ny mpamatsy vola antsika, hahafahana manao ny fampandrosoana ny firenena”. Ireo solontena avy eto Antananarivo nahitana an’Atoa isany Randrianjatovo Henri, Tabera Randriamanantsoa, Ralaiseheno Guy Maxime kosa dia samy nilaza fa tolona ho fanavotam-pirenena izao atao izao, ka mila mitafy hery sy firaisankina satria andro sisa !  Marihina fa tsy tazana nanodidina ny faritra nisian’ny hetsika ny Emmo-Reg tamin’io andro io. Hitohy amin’ny sabotsy ny hetsiky ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT