Politique

Rodoben’ny Malagasy Toamasina Hanao hetsika goavana hamaranana ny krizy


  • Talata 05 Jolay 2011

Nanatanteraka fihaonana tao amin’ny Sekoly Arema Ankirihiry ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana sampana Toamasina ny sabotsy 02 jolay teo.

 Tonga tao avokoa ny mpitarika ny ankolafy telo, Ravalomanana-Zafy-Ratsiraka, ao Toamasina, nanoina ny antso ihany koa ny vahoaka maro mahatsapa ny fahasahiranana naterak’izao krizy 27 volana tsy mety ahitam-bahaolana izao. Nidina tany an-toerana mihitsy koa ny Dr Manoro Régis, mpitondra tenin’ny ankolafy Zafy nanazava ny zava-misy sy ny hetsika hatao manerana ny nosy hamaranana izao krizy izao. Anisan’izany ny fidinana an-dalambe miaraka amin’ny lovia sy vilany ary sotro hilazana fa efa tena latsaka anaty fahantrana ary tsy fananana ny Malagasy maro an’isa amin’izao fotoana izao, noho ny fizirizirian’ny sasany tsy mety hiara-kitady vahaolana hamaranana ny krizy. Ankoatra izay, nohamafisin’ny Rodobe fa tsy maintsy miverina malalaka an-tanindrazana ireo sesitany politika rehetra, ajoro ny tetezamita iarahana mitantana ary apetraka ny mpanara-maso ny fifidianana eken’ny rehetra, hanomana sy hitantana ny fifidianana izay ahafahan’ny rehetra mirotsaka hofidiana ary eo ambany fanaraha-mason’ny Firenena Mikambana.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT