Politique

Rodoben’ny Malagasy Tafatsangana ny sampana Analanjirofo


  • Talata 09 Aogositra 2011


 Nanao hetsika ankalamanjana tao an-tokotanin’ny Magro Tanambao V, ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina ny alahady tolakandro teo. Fahombiazana hatrany ny hetsika nataon’izy ireo. Tamin’izay no nanentanan’ny GTT Toamasina ny tanora handray an-tanana ny hoavin’ny firenena. Fanamarihana maromaro kosa no nentin-dRasamimaka Mahefalahy ka nilazany fa “ahoana moa no hisy ny filaminana eto amintsika ? Ny milaza azy ho filoha faratampon’ny tafika aza mpanongam-panjakana. Ahoana ihany koa no handeha ny fitsarana ? Ny filoha mitarika azy aza tsy ara-dalàna. Ary nahoana moa no hisy ny fitoniana politika eto satria miziriziry hitondra firenena ny FAT nefa tsy lanim-bahoaka akory ? Atoa Dahy Emilien kosa dia nanompana ny lahateniny tamin’ny resaka andramena. Matoa tsy voafehy ny trafika mikasika azy io, dia tsy afa-miala amin’izany ny FAT, hoy izy. Lazaina koa fa voarara ny fikapana, fitehirizana, fitaterana ary fanondranana azy, hoy izy, nefa mahazendana fa hakana hetra ny zavatra voarara tahaka izany. Ny fanimbana tontolo iainana ataon’ny orinasa mpitrandraka fasimainty ao Soanierana Ivongo sy ny manodidina kosa no nokianin’ingahy Iandro Robertson. Ny filohan’ny Rodobe Toamasina, Kotomanantsoa Rémi kosa dia nanentana ny hanamafisana ny firaisankina, fa “efa akaiky ny farany”, hoy izy. Hisy sahady amin’ny faran’ny herinandro ity, hetsika ho fanehoana izany miainga avy eny amin’ny Fokontany. Ankoatra izay dia fantatra fa efa mitsangana ny sampan’ny Rodobe ao Analanjirofo, ary mikasa ny hanao hetsika goavana miaraka amin’ny fametrahana fampihavanam-pirenena ao Fenoarivo Atsinanana amin’ny faran’ny herinandro izao izy ireo.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT