Politique

Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana Nampitovy tandin-dokanga


  • Alarobia 22 Jona 2011

Nampitovy tadin-dokanga tao amin’ny Hotel Carlton omaly ireo mpitarika ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny Tanindrazana tarihin’ny Profesora Zafy Albert, sy ireo mpiara-dia izay nahitana solontena maro avy amin’ny Faritany enina eto Madagasikara.

 Nisy ny fakan-kevitra amin’ny hanatsarana ny fomba fiasa sy hanamafisana ny hetsiky ny Rodobe, hahatongavana amin’ny tanjona dia fananganana tetezamita iaraha-mitantana, tsy manavaka, hirosoana amin’ny fifidianana malalaka, madio, demokratika. Nisy ny fehin-kevitra taorian’izay, zay nampahafantarina tao amin’ny Magro omaly tolakandro. Taorian’izay dia nanamafy ny Rodobe fa mankasitraka ny fehin-kevitra noraisin’ny SADC tao Sandton, mamela malalaka ireo sesitany politika rehetra hiverina an-tanindrazana tsy misy fepetra ary mandray anjara malalaka amin’ny raharaha politika eto sy ny nataon’ny Parlemanta Eoropeanina ny 08 jona teo, mitaky ny hamoahana ireo gadra politika sy hanamafisana ny sazin’ireo izay sakana amin’ny famahana ny krizy. Tsara ny mampahatsiahy fa ny Rodobe dia manaja sy miara-miasa amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena ka miandry, nefa tsy mipetra-potsiny, ny ho tohin’ny ezaka ataony mba hahatongavana amin’ny vahaolana maharitra ho an’ity krizy ity. Mikasika ny fankalazana ny fetim-pirenena, dia hanao hetsika manokana eny amin’ny Magro –Tanjombato ny Rodobe ny 26 jona hanehoany firaisankina sy ny fijoroana amin’ny tokony hamahana haingana an’ity krizy ity.

 

Nangonin’i Jean D.

 

Sary : Nandritra ny fanolorana soso-kevitra tao amin’ny Carlton omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT