Politique

Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana Hanova fomba fiasa hanohizana ny tolona


  • Zoma 17 Jona 2011

Hanatanteraka fihaonambe ao amin’ny foiben-toeran’ny Ankolafy Ravalomanana, ao Bel’Air, ireo lehiben’antoko politika sy mpitarika fikambanana, mivondrona eo anivon’ny Rodoben’ny Malagasy ho an’ny tanindrazana, tarihin’ny Pr Zafy Albert, anio maraina.

“Hanamafisana ny firaisankina sy hanavaozana ny fomba fiasa”, hoy ny fanazavana. Etsy ankilan’izay dia hisy ny fandraisana ny hetahetan’ny olona hanatsarana ny tolona, araka ny nambaran’i Guy Maxime Ralaiseheno, filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny Nosy. Na izany aza dia mitohy hatrany ny hetsika ao amin’ny Magro Behoririka. Nivoitra tao omaly fa manangana fahavalo isan’andro ho azy ny FAT. Henonay, hoy ny Dr Julien fa misy sakana any amin’iny lalana Antsirabe iny fa sao dia any anaty fiara any i Marc Ravalomanana. Ny Pasitera Edouard Tsarahame no nanohy fa tsy maintsy esorina aloha izay vato misakana namboly krizy. I Manoela kosa nampahatsiahy fa hendry be daholo ireo mpanao politika nanao fanambarana ankehitriny ireo tany Gaborone tany nefa maninona rehefa tonga eto Madagasikara izy ireo no manasa vangy izay tsy izy ?

Ankoatra izay dia notaterina sy nampahafantarina ny mpitolona tao amin’ny Magro koa ny zava-misy any ivelany any tahaka ny hoe : tany Espana dia norotahan’ny vahoaka ny Parlemantera satria miaro fahefan’ny olon-tokana fa tsy ny hetahetam-bahoaka. Tany Syrie, mijoro andro aman’alina ny vahoaka miady ho an’ny fahafahany. Marihina fa nisy ny fotoana nihainoana ny tafa nataon’ny Filoha Ravalomanana tamin’ny mpanao gazety tatsy Afrika Atsimo nitondrany ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena sy ny mikasika ny fahapahan-kevitry ny SADC farany teo. Ankoatra izay dia nisy koa ny fifanomezan-tanan’ny mpitolona tonga tao Behoririka omaly ho fanohanana ny fianakavian-dRazoelimanga Aline Michèle izay nodimandry fa faly loatra raha vao nahare fa hody i Dada. 67 taona ity raiamandreny nodimandry ity.

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT