Noho ny fahatsapana fa latsaka an-katerena ny firenena, hoy ny pasitera Edouard Tsarahame,
izay nitondra ny teny fanambarana nataon’ny hetsika RMTF na ny rodoben’ny Malagasy tia tanindrazana ho amin’ny fanorenana ifotony, tetsy 67 Ha omaly, no antony nanaovan’izy ireo antso ho fiaraha-mitolona hanoherana ny zava-misy ankehitriny. Efa namaly ny antso ny namana marobe na ny avy eo anivon’ny AFP na ny dinika ho an’ny fanavotam-pirenena na ny ACS. Nanao fanambarana ity hetsika ity fa manohana tanteraka ireo hetsika manohitra ny fitondrana mijoro amin’izao fotoana. Nisy ihany koa moa ny hafatra manokana nataon’izy ireo ho an’ny mpitandro ny filaminana izay nilazany fa natao tandroka aron’ny vozona sy natao hiaro ny tanindrazana ireto farany kanefa dia lasa antony nahatonga ny firenena ho toy izao ny tsy fandraisan’izy ireo ny andraikiny araka ny tokony ho izy. Nilaza ny RMTF fa tsy hisambotra azy ireo ny EMMOREG satria ny taniny sy ny fahaleovantena no harovan’izy ireo. Noho izany, tsy maintsy ho eny amin’ny 13 mey izy ireo.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.