Politique

Rodin Rakotomanjato «Tsy ho afa-maina eto ny AVI»


  • Alarobia 21 Jolay 2010

Tsy arakaraka ny maha ririnina mampangatsiaka ny andro fa dia mafana ny kabary politika tao amin’ny Magro Behoririka omaly. Ny raharaham-pirenena ankapobeny no niompanan’ny resaka tamin’izany. Anisan’ireo nandray fitenenana i Rodin Rakotomanjato, depiote TIM voafidy tao Arivonimamo.

Nahitsy ny teniny nilaza fa tsy ho afa-maina amin’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena ny antoko AVI. Noraisiny ohatra tamin’izany ny vidin-tsolika miaka-midina sy ity saran-dalana amin’ny zotra nasionaly ity. Aminy dia sinema avokoa mba hanamarinana eo imason’izao tontolo izao fa to teny ny FAT ireny. Nampitandrina ingahy depiote fa tsy azo anaovana sinema ny fiainam-bahoaka. Ahoana, hoy izy no hanekena ny tetiky ny FAT fa aondrana aloha ny “bois de rose” efa tapaka dia avy eo tsy asiana intsony. “Mamba noana” moa no nandikan’i Constant Raveloson io fitondrana io, ka rehefa tsy raharahain’izao tontolo izao dia ny mpiray tanindrazana no tangosana. Momba izany indrindra moa dia nanao tatitra ny pastera Edouard fa “raha tsy mivoaka ny marina mikasika ny “bois de rose” dia tsy hijanona ny Pr Zafy Albert”. Fa notsiahivin’i Constant Raveloson koa omaly ny tenin’i Andry Rajoelina, tamin’ny fandaharana manokana nataony tamin’ny haino aman-jery taorian’ny dinika “Maputo 1” nilaza fa tsy azo eritreretina ny tsy haha filohan’ny tetezamita azy (il est impensable que je ne sois pas le président de la transition). Ankehitriny anefa na ny ankolafiny aza nilaozany, ka izany ve no hitantana ny firenena, hoy ity mpitolona MFM ity mametra-panontaniana. Mifanentana ny ho avy maro eny amin’ny Magro ny ankolafy telo, fa hiditra an-telefaonina matetika eo ireo filoha any an-tsesitany hanome toromarika sy hampahafantatra ny vokatry ny dingana amin’ny fikatsaham-bahaolana ataon’izy ireo any ampitan-dranomasina any.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT