Politique

Robert Yamate-Masoivoho Amerikanina “Aza manahy amin’ny fahalanian’i Trump”


  • Alakamisy 10 Novambra 2016

Nilaza omaly ny masoivoho Amerikanina eto miasa Madagasikara Robert Yamate fa "tsy hisy zavatra maro hiova amin’ny politikan’i Etazonia manoloana an’i Madagasikara.

 

 Efa ela ny antoko Repoblikanina sy Demokraty no nifanara-tsaina ny amin’ireo foto-kevitra lehibe mibaiko ny fandaharan’asan’ny fitondrana Amerikanina eto Madagasikara, hoy izy. Niara-niasa, ohatra, ny antoko Repoblikanina sy Demokraty hampandany sy hanitatra ny faharetan’ny AGOA. Niara-nientana ihany koa izy ireo tamin’ireo fandaharanasa sy hetsika goavana iantsorohan’ny USAID eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fampandrosoana. Mitovy fijery ihany ny antoko Repoblikanina sy Demokraty fa raha mijery lavitra isika, dia ny varotra no ilain’i Madagasikara kokoa noho ny fanampiana, raha tiana ny hanasoa ny fiainan’ny mponina Malagasy any amin’ny lavitra ezaka. Ary miombon-kevitra izy ireo fa raha tiana hatanjaka kokoa ny toekarena dia ny demokrasia no mila atao marin-toerana kokoa, mangarahara kokoa, ary tsara tantana kokoa." Niarahaba ny filoha voafidy Donald Trump, ny vadiny Melanie ary ny ankohonany izy noho ny fandresena manan-tantara izay azony ary nankasitraka an'i Hillary Clinton izy noho ny fahombiazany tamin'ny naha voatendry azy ho kandida vehivavy voaloahany tamina antoko lehibe any Etazonia.

Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT