Manamafy ny Sekretera faharoan’ny antoko Arema ao Toliara, Robert Razaka, fa tsy mety ny fitantanan’olon-tokana ny fitondrana tetezamita, tahaka ny misy amin’izao fotoana.
Tsy mbola nisy mihitsy tamin’ny tantara teto amintsika, hoy ity loholona Arema teo aloha ity ny fitantanan’olon-tokana, na ankolafy tokana ny tetezamita izany, ary tsy mety amin’ny Malagasy koa izany. Tsy maintsy misy ny fifanarahana eo amin’ny hery politika rehetra, ary fiaraha-mitantana no atao. Izay ihany vao azo antoka fa hilamina ny tany ary hizotra tsara ny tetiandro hiampitana any amin’ny Repoblika vaovao, araka ny nambarany. Tolona niarahan’ny Malagasy rehetra avy amin’ny faritra rehetra no nisy teto, hoy i Robert Razaka ka noho izany rariny loatra raha fiaraha-mitantana no apetraka. Noraisiny ho ohatra moa ny hoe : “raha nilaza fa nahavita azy ny zanaky ny faritanin’i Toliara, na Antsiranana, na Toamasina, ka hikononkonona samirery ny rafitra tetezamita ary hitantana izany samirery, moa va hanaiky izany ny eto Antananarivo sy ny any Fianarantsoa ?”. Tsy maintsy mandefitra sy mampangina ny hambom-po ny rehetra raha tiana marina ny hampilamina ny firenena sy hahamafy fototra ny Repoblika vaovao apetraka eto, hoy i Robert Razaka ? Aminy dia tsy mety ny zava-mitraga amin’izao fotoana, na dia eo aza ny dinika ifanaovan’ny mpanao politika avy ao amin’ny Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika sy ny UDR-Fanovana FAT, izay mbola karazana fanapahan-kevitr’ankolafy tokana ihany, satria nametraka fepetra hatrany am-boalohany ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, fa zavatra mifanaraka amin’ny tolona notarihany no tokony hivoaka avy amin’ny dinika, izay tena mifanipaka tanteraka amin’ny fiaraha-mitantana araka ny voalazan’ny fifanarahan’i Maputo nifaneken’ireo Ankolafy 4.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.