Politique

Roa taona katroka anio ny niverenan’i Dadavalo Voamarina fa izy no vahaolan’ny Malagasy


  • Alakamisy 13 Oktobra 2016


Feno roa taona katroka anio 13 oktobra 2016 no niverenan’i Marc Ravalomanana teto Madagasikara taorian’ny raharaha 2009 nanonganana azy ka voatery nanao nandao ny firenena izy ny 17 martsa 2009. Tampoka ny fiverenanay ka nosamborin’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny tenany raha vao tonga teto ary nogadraina tany Diego saingy nahazo fahalalahana rehefa nandeha ny fifanarahana politika teto Madagasikara notarihin’ny vondrona iraisam-pirenena. Hatramin’ny nialany teo amin’ny fitondrana mandrak’ankehitriny, voaporofo ny maha mbola manana ny maha-izy azy ny tenany eo amin’ny tontolo politika. Mijanona ho antoko matanjaka ary teo foana ny Tiako i Madagasikara tao anatin’ny 5 taona naha sesin-tany azy. Roa taona monja no nahatongavany teto dia efa tafariny ny orinasa “tiko”  izay efa miodina ary manomboka misokatra ireo rantsana rehetra manerana ny nosy. Ny Magro ihany koa dia efa ao anaty fanarenana tanteraka ary fanambiny ny hiodinany mialoha ny taona 2018. Manaporofo ny maha olona be fikirizana sy manana fahaiza-manao an’I Marc Ravalomanana izany. Azony natao ny nijanona tany ivelany saingy tsapany fa mbola mila azy ny vahoaka Malagasy. Vao maika mampitombo ny fitiavana sy fahatokisan’ny vahoaka azy izany ary mbola velom-panantenana ny rehetra fa I Marc Ravalomanana no vahaolana eto amin’ny firenena. Mendrika halain-tahaka izy ary raha misy olona maromaro mitovy fomba fiasa sy fomba fisaina aminy dia handroso haingana ny firenena. Mbola tsy tafaverina eo amin’ny fitondrana ny tenany dia efa hita ny ezaka ataony amin’ny famahana ny olan’ny Malagasy ka tsy andrin’ny vahoaka izay hahatongavan’ny fifidianana hamerenena indray an-dRavalomanana eo amin’ny fitantanana ny Malagasy hahafahany mitondra anjarabiriky bebe kokoa ho fanarenana ny firenena izay tena latsaka anaty fahantrana lalina.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT